MAHALEOTENA SY AVO?

Bitro sa gana?

Na inona mbola angatahinareo
Dia inoanay fa ho azonareo amin’ireo.
Izy anie dia anarany no eny amin’ny avo
Fa raha ny fijeriny, manjavozavo!
Tsy lasa mankaiza fa jamban’ny vola
Ka io ianareo fa dia miara-midola!

Na bitro sy gana aza atao iray sobika,
Hanaiky “ireo avo” amin’ity Nosintsika,
Fa azo ampiarahana ny toy izany
Ho an’ny “eny amin’ny avo” mpanosy ny ambany,
Fa efa voatampina vola izy angamba
Ka jamba tanteraka, manary lamba !

Tsy dia fitsitsiana no zava-kinendry.
(Tsy izany tsy akory hoy ireo olona hendry),
Fa ny hevitra dia ny mba hampandaniana
Ny tetika maizina atao sy iniana,
Tsy dia amim-pomba madio sy mirindra,
Fa fitiavam-bola no lehibe indrindra!

… Koa dia aza gaga amin’izay mbola hitranga,
Raha misy ny pentina sy vangavanga,
Fa eto, tsy misy ny « mahaleotena ».
Ny misy dia ny olona be hafetsena
Manao izay hihinanany tsy misy fetra,
Tsy menatra intsony fa olom-boretra!

DADAN’i ZINA (23-04-19)