Fifidianana sy fitsapan-kevibahoaka kasaina hatambatra ho andro iray – Tsy mbola mety amin’i Madagasikara satria tena mbola ambany ny fari-pahaizan’ny maro

Samy manana ny fijeriny mikasika ny fikasan’ny fitondrana hampiaraka ho andro iray ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapan-kevibahoaka ho fanitsiana ny lalàm-panorenana ny olon-drehetra.

Ho an’ny mpampianatra sy mpanabe dia maro amin’izy ireo no miteny fa raha ny fari-pahaizana amam-pahalalan’ny maro an’isa amin’ny Malagasy ankehitriny no jerena dia tena tsy tokony hatao miaraka ireo. Ny fifidianana teo aloha izay nampiasana biletà tokana aza dia hita fa tena mbola manavia ny maro eny ambanivohitra. Iza no asiana marika? Ahoana ny famoretana ny biletà? Hetezana ve ny sarin’ny kandidà tiana hotohanana dia arotsaka? sns….

Manararaotra ny fahabadoan’ny eny ambanivohitra ny sasany tamin’ireo solontenan’ny kandidà tamin’ireny fifidianana teo aloha ireny ka dia sahy miteny mivantana amin’ny mpifidy, eo am-panomezana ny biletà, hoe eto asiana marika mantsy ny hitsin’ny sarin’ny kandidà tiany hotohanana.

Dia inona ary no ho fifidianana handeha amin’izany? Tsy ampy fahalalana ny mpifidy maro ka dia azo ahodina mora ny safidiny. Mainka moa raha hisy fifidianana roa miantoana toy izay kasaina hatao ny 27 mey ho avy izao? Ny fifidianana anankiray aza efa nanahirana ny maro. Be ny mpifidy tsy hahafantatra izay tokony hataony akory sy izay safidy atolotra azy. Dia vao mainka ho mora ho an’ny mpangala-bato ny manao hosoka sy manova ny safidim-bahoaka amin’ny fifidianana roa miaraka toy izao.

Mila fampianarana mialoha sy maharitra ny fifidianana, ho an’ny tsy nianatra sy tsy dia nandia fianarana. Tsy vita iray na roa na telo volana izany fa mila fampianarana maharitra. Mody ny politikam-pitsitsiana no arangarangan’ny mpitondra ankehitriny hanamarinana ny fikasany. Ekena fa tokony hotsitsiana ny vola sy ny fotoana. Saingy amin’ny ataony andavanandro, moa ve tena manome modely sy mitsitsy ny mpitondra, raha tsy hilaza afa-tsy ny nivoahany tany ivelany in’efatra tao anatin’ny telo volana isika? Afaka hijoro ve izy ireny ka hanome porofo mivaingana hoe ireto avy no efa zavatra azo, eto an-tanana, tamin’ireny fivoahana matetika ireny?

Azo ambara ihany koa fa tena sasanangy samihafa ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ka tsy tokony hampiarahana fa toy ny manao an-tsobika iray ny bitro sy ny akoho raha manao izany. Ary mbola manamafy ny mpanabe maro fa ny nety tany Frantsa na tany amin’ny firenen-dehibe hafa akory dia tsy voatery ho mety amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana toa an’I Madagasikara raha fifidianana no resahina.

NY VALOSOA