EDITO 19 Marsa – Vary mora: fitondrana tsy mitsinjo ny tambanivohitra

Rajaonarimpanontsana

Nodradradradraina sy nanaovana Tam-Tam fa eny ambony sambo ary tonga ny vary mora 16.500 taonina, hamidy amin’ny vidiny mora, antsasa-bidy, hoan’ny vahoaka. Dia zendana ny mpanara-baovao fa toa hamono ny tambanivohitra tantsaha mpamboly sy mpamokatra vary indray izy ity. Ny vary aloha efa miakatra toy izany koa ny vakiambiaty efa hiakatra, ka raha izao vao tonga ilay Vary Mora dia ho very fanahy mbola velona ireo tantsaha, ka mety hisy fiantraikany any amin’ny vidin’ny vary avy eto an-toerana. Hihena ny vola miditra amin’izy ireo fa ireo mpandraharaha mpanafatra vary indray no hatavy mandritra ny fiakaran’ny vary any ambanivolo rehetra any.

Raha ny tokony ho izy dia ny volana Janoary sy ny tapan’ny volana Febroary iny no tena maitso ahitra hoan’ny mpamboly ary io fotoana io no tokony nahatongavan’ny Vary Mora, amin’izay fotoana izay dia voatazona ny fidangan’ny vidin’ny vary eto amintsika. Voatsinjo avokoa ny rehetra, na ny mpanjifa io, na ny mpivarotra ary ny fitondrana ihany koa.

Dia tsy maintsy sahirana indray izany ny tantsaha Malagasy izay lazaina fa maro an’isa , efa mananika ny 80%-ny vahoaka mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Inona marina izany no tena ataon’ny fitondrana, ny mpandraharaha efa manankarena ve no velomina sa ny vahoaka Malagasy?

Tsy sanatria hoe manakiana be fahatany fa raha fitondrana tena mitsinjo ny mponina ao aminy dia ny maro an’isa aloha no ampiana, izay ilay fanjakana mahay mitantana.

Mety hisy indray hilaza fa tsy miankina amin’ny fitondrana ny fahataran’ny fahatongavan’ny Vary Mora. Mety ho marina izany, fa raha ny hita hatramin’izay aloha dia natao ho fanambatambazana sy fisaorana izay faritra be mpifidy ny Mapar sy ny TGV no nahamaika azy ireo. Ireo tena sahirana dia tsy afa-manoatra ary miandry fa Gasy.