Fitrandrahana ny harena voajanahary – Tafo Mihaavo – Vahaolana maharitra – Ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna

Helisoa

Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny gaboraraka mahazo ireo harena voajanahary eto Madagasikara toy ny fahapotehan’ny tontolo iainana, fitrandrahana ireo harena ambanin’ny tany sy anaty ranomasina, izay tsy nitondra fampandrosoana ho an’ireo fokonolona tokony hisitraka izany, dia nisy fikaonandoha nataon’ireo tambazotran’ny harena voajanahary eto Madagasikara mivondrona ao amin’ny fikambanana Tafo Mihaavo manerana ny faritra 22, teto Antananarivo nandritra ny 2 andro.

Tao anatin’izany no nanaovan’izy ireo tatitry ny zavamisy teny ifotony, ka nandrafetana ireo fitarainana hatolotra ny Firenena Mikambana izay mpikambana feno ao anatin’ny fikambanana iraisampirenena ity i Madagasikara.

Misy ny fitadiavam-bahaolana maharitra amin’ny fampanarahan-dalàna. Tsy ho tompony mangatak’atiny ireo fokonolona fa hanana anjara entina hampandrosoana ny firenena amin’ny toerana misy azy. Tsy ho fery famoretana ireo mpitondra ka lasa ny vahoaka indray no miazaka ny mandidy sy ny fonja, eo ihany koa ny fikajiana ny harena ananan’ny Malagasy izay iavahany amin’ny firenen-kafa.

Ireo fehin-kevitra ireo dia atao tatitra eo anivon’ny Firenena Mikambana, izay tsara ny manamarika fa isaky ny efa-taona no manao toy izao ny Tafo Mihaavo.

Misy ny consultatnt avy amin’ny Firenena Mikambana miara-mikaondoha, mijery ifotony sy miaraka mandrafitra izany eto Madagasikara.