Lavo ny andrarezina – Nodimandry i Manandafy

Ny Valosoa

Lavo ny andrarezina, nodimandry I Manandafy Rakotonirina, fanta-daza teo amin’ny sehatra politika teto amintsika, olona nanana ny anjara toerany koa teo amin’ny fitantanam-pirenena. Omaly tamin’ny 10 ora maraina izy no nodimandry tao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha, rehefa nolazoin’ny aretina nandritra ny fotoana efa elaela ihany. Itompokolahy Manandafy Rakotonirina dia teraka ny 30 Oktobra 1938, izany hoe 80 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Izy no filoha nasionalin’ny antoko MFM. Efa filoha mpiara-mitantana ny CRES, na ny Filan-kevitra ara-toekarena sy sosialy, izy sy Pastora Andriamanjato Richard tamin’ny tetezamita tamin’ny taona 1991. Efa depioten’i Manandriana, faritra Amoron’i Mania. Mpikambana tao amin’ny Filan-kevitra Faratampon’ny Tolompiavotana na CSR tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka, mpampianatra toekarena teny amin’ny Oniversite koa tamin’ny fotoan’androny. Tamin’ny krizy tamin’ny taona 2009, notendren ny Filoha Marc Ravalomanana ho Praiminisitra izy, saingy tsy afaka niasa satria nosamborin’ny mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany. Anisan’ny nitarika ny hetsi-bahoaka i Manandafy tamin’ny tolona tamin’ny 1972. Mpikambana tao amin’ny antoko MONIMA an’i Monja Jaona izy aloha, izay vao nanangana ny antoko MFM.

Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.