Fitantanam-pirenena – Tsy mbola voafehin-dRajoelina

Sôh’son

Ankoatra ny fahadisoana nataony teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ohatra momba ny raharahan-tokantranon’i Venezuela izay nidirany sy nisy niandaniany, dia mitohy ny fijabahana ataon-dRajoelina.

Niseho indray izany tatsy amin’ny Nosy Maorisy tamin’ny filazana ny amin’ny fanorenana indostria manerana ny faritany. Eritreriny irery io sa nisy nanoro hevitra azy? Na heviny irery anefa na nisy nanoro hevitra azy, sao dia adinony fa amin’ny rafi-pitondrana arahintsika ankehitriny dia tsy anjaran’ny fitondrana na ny fanjakana velively no manangana orinasa na indostria. Tsy rafitra sosialisma fahiny tamin’ny andron-dRatsiraka tamin’ny repoblika faharoa akory izao ka miditra lalina amin’ny toekarena sy fananganana toy izany ny fanjakana. Aoka hazava, fa rafi-pihariana kapitalista no nampidirina teto niditra ny taona 90, ka mandraka ankehitriny. Rafi-pihariana mampisintaka ny fanjakana amin’ny fidirana ho mpisehatra ara-toekarena. Nahatsapa izay tsara ny fitondrana nampiditra ny sosialisma teto rehefa niova hevitra taty aoriana ka nandray fepetra niala tamin’ireo orinasam-panjakana natsangany na nofatorany ary niditra tamin’ny famarotana azy ireny, manontolo na amin’ny ampahany, ilay antsoiny hoe” privatisation”. Ny fiverenana amin’izany politika ara-toekarena io izany, dia fialana amin’ny rafi-pitondrana efa voafaritra hatramin’izay.

Rehefa dinihina lalina indray koa anefa, dia tsy fialana loatra fa ny azo ilazana azy dia misabaka, sady mandray rafi-pihariana kapitalisma no misarangotra amin’ny rafi-pihariana sosialisma. Amina tranga manokana anaty fahamehana tsy azo anoharana anefa ny firenena iray vao niditra tamin’izany, toy ny nataon’ireo firenena vitsivitsy tao Azia. Tsy amin’ny tranga toa antsika eto Madagasikara anefa izany raha ny ankehitriny no jerena, fa mila mamaritra politika matotra sy feno fahendrena no ilaina entina manarina ny toekarem-pirenena sy ialàna amin’izao manjo ny vahoaka Malagasy izao. Tsy resaka fahataitairana mahita endri-javatra no hanoritana ny politika, fa io efa vita rafitra mialoha sy voadinika lalina. Tsy eny am-pandehanana no milaza zavatra ho atao fa lasa mivaona ny fomba fiasa. Ny hiafaràny dia handiso fanantenana ny vahoaka nanaovana velirano sy nomena fampanantenana bobaka.

Marina, tena ilaina ny fanorenana orinasa sy indostria maro hitelemana ireo tsy an’asa aman’hetsiny maro isan-taona eto amin’ny firenena, kanefa tsy anjaran’ny fanjakana ny manao izany. Aoka tsy hifamitaka intsony.