Andron’ny vehivavy 2019 – Marc Ravalomanana – Hanana soa toavina sy hasina maha-vehivavy azy

Miarahaba ny vehivavy rehetra manerana ny nosy amin’izao andron’ny 8 martsa izao.
Handroso hasina hatrany ianareo. Ary hisandratra amin’ny fiainana manokana sy amin’ny asa sy adidy iantsorohanareo.
Hifameno amin’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena, eo amin’ny sehatry ny asa ary ny fiarahamonina. Ary hahavita soa hatrany eo amin’ny sehatry ny fianakaviana.

Faly aho nitsidika ny hetsika teto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ho fanamarihana ny andronareo.

Tsy manadino ny vehivavy rehetra manerana ny nosy, mirary soa ho anareo mandrakariva.

Marc Ravalomanana