8 Marsa – Ny vehivavy sy ny zony

8 Marsa 2019 – Atolotry Ny Valosoa Vaovao, amin’izao andro ankalazana

NY VEHIVAVY SY NY ZONY

Raha mamiratra ny hoavin’ny taranakao ry taniko,
Dia iretsy vehivavy no deraiko sy andrianiko.
Fa na eo ny fahosàny sy ny halemena izay nananany,
Hainy ny nanova izany mba ho hery teny an-tanany.

Indro niova ny fijery irony rafitry ny lasa :
“Tsy ny lehilahy irery no voatendry mba hiasa,
Fa ny vehivavy vanona sy fanaingam-pivoarana
Tsy manaiky ny hijanona ho fitaovam-pamokarana.

Tsy manaiky ny hogiazana, hofenjaina sy hofatorana
Ary tsy mitazantazana miandry foana hotolorana,
Fa dia tsinjonao mirotsaka eo anivon’ny tontolo
Ka tsy ambakan’ny kapotsaka mihevitra azy tsy ho voasolo.

Tsy manaiky ny hosena mba ho andevo sy mpahandro
(vokatry ny hafetsena sy ny fomba lany andro )
Fa manohitra tsy miato ny herisetra sy habibiana,
Ary izay no tsangambato, taratry ny fitoviana.

Tsy dia hoe misolantsolana, te haninana ny andaniny
Na hanakatra ny volana mba ho ravaky ny akaniny,
Fa mikendry sy mikasa ny hisondrotra eny ambony
Ka tsy “vava” fa ho “asa” no hiainany ny zony.

Fa ny zo tsy hoe karohina, f’avy hatrany dia hiainana,
Toy ny rivotra nofohina, tonga ho azy tsy am-pisainana.
Nefa koa dia mety miala fa lazaina am-pahatsorana
Nony vao misalasala tsy handray ireo notolorana.

Ka ny zon’ny vehivavy dia iainany avy hatrany.
Tsy ilaina ny miangavy ny hamerenana an’izany
F’efa zo voajanahary taratry ny fitoviana
Saingy indrisy mankarary, tsy voahaja aty aoriana!

SEDERA RAVALISON