EDITO 7 Marsa – Mahavalalanina ny olan’ny rano ankehitriny

Radafy

Ao anatin’ny vanim-potoana fiovaovan’ny toetrandro isika amin’izao vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana izao. Eo ihany izay, fa ny mahavalalanina ny maro dia ny fahasahiranana amin’ny rano fisotro madio izay mitranga amin’ny tanàna sy faritra maro. Ny tsy azon’ny maro dia mbola ao anaty fotoam-pahavaratra isika ankehitriny kanefa misy ity olana amin’ny rano fisotro eny anivon’ny Jirama ity. Mazava loatra fa ireo mpanjifa tena miankina aminy, na manokana na iombonan’ny besinimaro na paompim-bahoaka no tojo io olana lehibe io. Tsy ny tanàna manontolo koa anefa no iharan’izany fa misy faritra sy fokontany no iharan’izany, ohatra, ny eny amin’ny faritr’Itaosy sy Ambohidrapeto iny, sy any Tanjombato any, sy ireo tanàna maro samihafa.

Tsy adino ny zava-nitranga niditra ny taona 2016 sy nandritra ny volana maromaro izay nahatoran-kovitra ny mponina fa ho ritra i Mandroseza ka tsy maintsy nitodika sy nila vonjy an’Antelomita. Mety ho nisy antony lehibe samihafa nahatonga izany, teo rahateo ny hevitry ny olom-pirenena, fa ny iray tsy tokony ho hadinoina dia teo ny vokatr’ilay riakan-dranomasina mafana tany amin’ny atsinanan’ny ranomasimbe pasifika tamin’ny taona 2015 izay nanakorontana ny toetrandro teto amin’izao tontolo izao. I Afrika dia anisany niharan’ny vokatr’izany tamin’ny haintany. Mety hiverina anefa io riaka io amin’ity taona ity araka ny vinavinan’ny manam-pahaizana ka ho avy indray ny fiakaran’ny hafanana. Tsy ho afaka amin’izany i Madagasikara ka tokony dieny izao dia mila miomana amin’izany isika.