Taxi-be tsy nanaja mpandeha – Nidoboka am-ponja sy mandoa onitra ny resevera sy saofera

Nilatsaka ny didy momba ny reservera sy saofera tsy nanaja mpandeha, nitory ny mpandeha niharan’izany ary nilatsaka ny didy momba ity raharaha taxi-be tsy manaja mpandeha sy Solofo Ranaivo ity. Voaheloka higadra 5 volana an-tranomaizana sazy mihàtra miampy onitra 5 tapitrisa ariary ny mpamily taxi-be iray ary 4 volana sazy mihàtra sy onitra 2 tapitrisa ariary ny mpanampy azy. 5 tapitrisa ariary kosa no onitra alohan’ny trano fiantohana Mama. Io no valin’ny fitsarana ny fitoriana nataon’i Solofo Ranaivo vokatry ny fianjerany raha niajatra taxi-be teo Ambohijatovo izy ka nianjera ary tsy norahahian’ny mpamily sy ny mpanampy azy fa nitsoahany.

Anatra ho an’ireo mpitatitra manao taxi-be ny toy izao, satria efa maro loatra ny fitarainana voaray mahakasika azy ireo avy amin’ny mpanjifa, tsy iray no voakasik’izany fa saika ireo zotra rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina mihitsy.
Ny Valosoa