SOS Farafangana – Nody ventiny ny rano natsakaina

Fantatra izao fa nafindra toerana ilay lehiben’ny polisy karazany namoritra ireo mponina tany Manombo distrikan’i Farafangana iny.

Raha tsaroantsika dia nisy ny antso SOS Farafangana nalefa teo amin’ny tambazotra sosialy mahakasika ilay olana miendrika fanaparam-pahefana natoan’ny polisy tao Farafarangana, tamin’ireo mponina tao Manombo ny volana jolay 2018.

Nody ventiny ny rano natsakaina, noho ny ezaky ny olona maro: ny fokonolona, mpiaro ny tontolo iainana, ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona.

Noho izay antony izay, mankasitraka ny rehetra ny filohan’ny GERP (Groupe d’Etudes et de Recherche sur les Primates de Madagascar), Profesora Jonah Ratsimbazafy, mankasitraka izy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisy Nasionaly foibe, ny mpanao gazety eto an-toerana sy any ivelany ary ireo tapaka sy namana rehetra nanampy tamin’izany.