EDITO 23 Febroary – Miadana ilay lamasinina haingam-pandeha

Sôh’son

Manomboka ho hita mifaritra miandalana ny ho endrik’izao fitondrana izao, iray volana mahery kely taorian’ny niakaran’ny fitondrana. Manomboka mamaritra izay ho famindrany ihany koa etsy ankilan’izany ireo mpamakafaka sy mpandalina ny fiainam-pirenena rehetra. Anisan’ny misongadina amin’izany ny tsy fahitan’izy ireo ny paik’ady mazava sy matotra amin’ny fampandrosoana ny firenena, fa manentsina izay « miboiboika » hatrany aloha hatreto no ataon’ny fitondrana Rajoelina. Ankoatra izay dia ny fanohizana ireo tetik’asa efa vita sonia tany amin’ny fitondrana nodimbiasiny ary ezahiny ny mamita sy mamarana azy. Samy mikitika asa izay heveriny hifanitsy fotsiny amin’ny vinan’ny filoha iarahany miasa no imasoan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta any amin’ny ministera iandreketan’izy ireo tsirairay avy, mba ilazana fa miasa izy ireo.

Tsikaritra anefa fa tsy mifandraika be ihany amin’ny zava-misy andrasan’ny vahoaka vahaolana izy ireny. Anisan’izany, ohatra, ny eo amin’ny sehatry ny angôvo izay miandraikitra ny herin’aratra sy ny resaka rano fisotro madio. Hatramin’izao, mbola tsy mahita mangirana amin’ny fihatsaran’izany ny mponina fa tsy mbola mitsahatra ny filaharana rano amin’ny fametrahana ireo « bidon » fitateran-drano miandry ny kamiaon’ny orinasa Jirama. Tsy hita izay politika mazava momba izany hatreto sy ao anatin’ny fotoana fohy. Moa tsy maika ve izany ? Eo ny mbola fahatapahan-jiro na dia nambara fa efa novahana aza ny olana. Ny vokatr’ireny fahatapahan-jiro tampoka ireny tsy hahenoina na kely aza, fa honerana ny fahavoazana. Moa tsy mitovy ny tamin’ny taloha izany ? Eo koa ny resaka vary, natao ren-tany ren-danitra tamin’ny fotoana nianianana fa efa an-dalana amin’ny sambo ny vary ho an’ny vahoaka Malagasy, fa tonga asa no atao, toa tsy mbola re hatramin’izao ny fahatongavan’izany sy ny fiparitahany manerana ny tsenam-bahoaka. Moa hanao resabe toy ny teo aloha koa ? Nokitikitihana hatrany ny datim-panadinana ara-panjakana, aiza ka miova fanintelony indray izany. Moa tsy mitovy amin’ny teo aloha amin’ny tsy fahamatorana ihany koa izany?

Ny fijerena ny fototry ny olana sy ny vahaolana fototra feno fahendrena tsy hita taratra mazava hatreto kanefa izany no tena ilaina ho an’ny vahoaka sy ity firenena ity. Mbola afaka miala bala kely ihany aloha ka hilaza fa tsy mbola mandeha amin’ny faratampony amin’ny hafainganam-pandehany ny lamasinina fa mbola vao tsy ampy 40 andro izay… Ny tsapa sy hita aloha dia miadam-pandeha ilay lamasinina tokony ho haingam-pandeha TGV. Hotazanina eo ny ho tohiny…