Ikotofetsy sy Imahaka – Fitaizana mbola mitoetra foana ve?

Indray andro izany hono, Fahagolantany,
Nisy roa lahy,
Tena mpamitaka gaigy lahy,
Izay nandra no maty betsaka.

Angady mondro sy reniakoho
K’izay mananda no resy
Fa Ikotofetsy sy Imahakà
Dia tafaray samy fetsy
Inona no hevitra mba nataony nony injay tafahaona
Ndao isika hiara-hiasa tsy hisy izay ho noana.

Indray andro izany hono, teny an-dohasaha
Dia niara-dia Ikotofetsy sy Imahakà
Fa Imahakà, ondrin’olona no nobatainy
Kanjo tratra izy ka izao no mba nolazainy
Ny hangalatra lay ondry, hono, tsy mba tao an-tsainy
Fa ny lanjany fotsiny, hono, no hany mba hotsapainy.

Indray andro izany hono Fahagolantany
Nisy roa lahy
Tena mpamitaka gaigy lahy
Izay nandra no maty betsaka

Dia nanao fatidrà tamin’ny hafetsena
Sy ny toetra ratsy izy ireto
Ka ny olona sendra azy tamin’izany Raha tsy mitomany dia misento
Fa izy raha miaraka isan’andro
Dia tsy mitsaha-misoloky
Ka na miasa na tsy miasa
‘Zareo tsy maintsy voky.

Maurice Razafy – tononkira.serasera.org