1 volana nitondran-dRajoelina – Ronono an-tavy sy fampanofisana no betsaka

Helisoa

Iray volana izay no nandraisan’ny filoha Andry Rajoelina ny fahefana feno, fahefana nomen’ny CENI sy ny HCC azy tamin’ny alalan’ny halabato be vata, tamin’ny salanisam-bato 55,66% ny vato manankery, tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018, raha nifaninana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana izy araka ny didy navoakan’ny HCC izay tsy maharesy lahatra ny maro ihany io valimpifidianana io.

Santionany amin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’izao fitondrany izao, tao anatin’izay iray volana izay, ny hanarenana indray ka hamitana ny Rovan’i Manjakamiadana alohan’ny 26 jona 2020, ny fandraràna ny fanondranana omby velona any ivelany, ny fividianana helikôptera miisa dimy hampitaovana ny mpitandro ny filaminana, hiadiana amin’ny asan-dahalo sy mpaka an-keriny, ny hanorenana trano fonenana (logements sociaux) amina velaran-tany 58 ha eny Ivato, ny fampodiana an-tanindrazana ireo ambasadaoro sy « consul » malagasy rehetra miasa any ivelany any, ny fahafahan’ny Jirama manafatra solika mivantana any ivelany, ny hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019.

Anisan’ny nanamarika izao fitondrana voalohany izao ihany koa ny fitoriana mpanao gazety any Sambava, nolazaina ho mpanongam-panjakana (sûreté de l’Etat), ny fisamborana sy fanagadrana mpandraharaha lehibe roa any Tsiafahy, sy ny famerenana ny iray ao Antanimora. Namafisina ihany koa ireo lalàna efa misy fa tsy nampiharina, dia ny fametahana ny fiaram-panjakana ho plaque rouge, sy ny tsy fanekena ny ampiasan’ireo minisitra jiro mirehidrehitra, sy anjomara, na fidirana làlana tsy azo aleha.

Raha ny hita aloha dia toa karazana mbola fanaovana ronono an-tavy amin’ny vahoaka sy fampanofisana ary fihetsika ivelany ilazàna fa hoe miasa ny fitondràna no ataon’ity fitondràna TGV ity satria tsy miantraika mivantana amin’ny isan-tokantrano aloha no hita hatramin’izao . Eo ihany koa ny valifaty politika atao amin’ny olon’ny fitondràna teo aloha . Raha tena filohan’ny Malagasy Andriamatoa Andry Rajoelina dia ny fitoniana aloha no tokony hapetrany voalohany fa tsy fihetsika mivatravatra toy ny fanagadràna olona tahaka ny misy amin’izao . Ireo filoha teo aloha efa nanaja azy, nefa toa izy mpitondra manana fahefàna feno indray no toa manao fihetsika mitratrevatreva tsy misy vokany amin’ny fampandrosoana sy ny velirano nodradradradrainy. Mbola hita ihany hatramin’izao ny tarazon’ny maha-mpanongam-panjakana an’i Andry Rajoelina hatreto, miezaka izy ny hampihàtra ny jadona toy ny nataony tamin’ny tetezamiitatra.