EDITO 14 Febroary – Filoha Rajoelina: vahao aloha ny geja namatoranao ny firenena

Sôh’son

Marobe ny zava-tsarotra mamatotra ity firenentsika ity ankehitriny, ary miha-mangeja hatrany izany. Misy aloha ny olom-pirenena no efa kely fanantenana manoloana izany na dia eo aza ny volana an-tenda sy fampanantenana marobe fa ho avotra ity firenena ity.

Raha ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka, dia sarotra ny lalana satria feno “vato mandondona” na dia ezahin’ny fitondrana afenina mafy aza izany. Aoka koa hazava anefa, fa tsy fomban’ny Malagasy ny mihinan-kena tsy fantatra. Tena kolontsaina Malagasy izany. Ny an’ny Malagasy, dia mila mazava tsara sy fantany marina ny fiavian’izay hiditra ao am-bavany, eny na dia amin’izay farahidiny indrindra aza. Ny fanaovana tian-kano tsy tian-kano azy dia ekeny eo imaso fa ao ivoho misy fiantsoana tody. Tsy fihatsarambelatsihy akory izany, ary tsy toetrany loatra izany amin’ny ankapobeny, fa ny zavatra niainany hatramin’ny taona maro izay teto amin’ity Nosy ity sy ny nahitany ny “vato” natatao eo amboniny ho toy ny loza mitatao aminy mandrakariva, ka tsy ahafahany mihetsika isaky ny mba misy fikasàny tsara mitsiry no niteraka izany fihetsiny izany. Mahatsapa izy fa ao anaty fatotra mafy ankehitriny ary manahiran-tsaina azy andro aman’alina izany. Izay fahoriany izay dia fantatry ny fitondrana tsara na matetika odiany tsy hita aza, dia ireny iaraha-mahita ireny ny fandaniana volam-bahoaka mihoa-pampana amin’ny fotoana samihafa. Raha tena mahatsapa izany fandaniana ataony izany ny fitondrana dia tokony hiezaka hilofo fatratra amin’ny fanonerana izany amin’ny fampidirana vola ambony lavitra noho ny laniny, ka tsy tokony ho fatiantoka no hitranga. Ohatra iray lehibe raisina ihany koa, dia ny momba ny fatiantoky ny vahoaka mpanjifan’ny orinasa Jirama. Firifiry izay ny vola fatiantoky ny vahoaka mpanjifa tao anatin’izay olana avy amin’ny Jirama izay eo amin’ny resaka fampiasana herin’aratra, indrindra tao anatin’ny delestazy mampiteny moana izay. Tsy misaina kely akory ny hanonitra izany anefa na kely aza ny fitondrana sy ny Jirama.

Mampanantena be fa hampiakatra ny famokarana herin’aratra ho avo roa heny farafahakeliny manerana ny Nosy ity fitondrana Rajoelina ity izao. Nambara koa fa manomboka amin’ity taona 2019 ity dia hanomboka hisintaka amin’ny fanampiana ara-bola aminy ny fanjakana. Tsara izany, saingy ny ahiahy dia hanao ahoana ny fanonerana ny mpanjifa raha toa ka misy ny fahavoazany amin’ny endriny maro isan-karazany. Niaraha-nahita tsara ireny, fa tamin’ny fitondrana nodimbiasiny dia niala maina tanteraka tsy namakiana loha ny mpanjifa tamin’ny fatiantoka goavana nahazo azy. Efa nambarany izany fa raha ho an’ny olon-kendry kosa, dia mampahatsiahy ilay tenim-pahendrena hoe ”Ny vava no tsy atao be ny mamerina azy no tsy tanty”, ary “Ny teny toy ny salaka, ny tompony ihany no afatony”.

Koa raha mahatsapa marina izay “vato mandondona” eo ambonin’ny firenena izay, dia tsy tokony hidehaka velively ho toy ny zavatra sy hisongadina noho ny hafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, satria ny filoha Andry Rajoelina izay midehadehaka io ankehitriny dia mpanongam-panjakana efa voasazin’ny iraisam-pirenena, ka ao foana izay tarazo ao aminy izany na voalaza fa voafidim-bahoaka aza izy farany teo, tsy adala na hoe tsy maharaka ny iraisam-pirenena fa fantany tsara fa halabato be vata sy teritery tamin’ny fomba samy hafa no nandresen-dRajoelina tamin’ny fifidianana filohampirenena farany teo.