44 taona aty aoriana – Ny momba ny raharaha Ratsimandrava – Ny mpamono

11 febroany 1975 – 11 febroary 2019, 44 taona omaly ny raharaha Ratsimandrava, na ny namonoan’ny sasany ny kolonely Richard Ratsimandrava tamin’izany fotoana izany, izay filoham-panjakana teto amintsika nanomboka ny 6 febroary 1975 ary maty nisy namono 6 andro monja tao aorian’ny nitondrany ny 11 febroary 1975. Raharaha sarotra, nohasarotina, niniana nampanginina… Izay no famintinana fohy mikasika ity raharaha ity. Resaka, anaran’olona, zavatra tsikaritra no hamehezana ny zava-nisy : ny resaka tamin’izany fotoana izany dia hoe:” Omen’i Baina ahy ny Fahefana “. Valiny: “Maty ialahy raha mandray an’io fa cadeau empoisonné io … “. Peugeot 404 Berline N° 0191 TH. Fiara nitondra ny Kolonely Richard Ratsimandrava tamin’izany fotoana izany. Ny birao fiasany tao amin’ny Patte d’éléphant Anosy, ministeran’ny atitany. Ny trano fonenany dia teny Anjohy La Haute Ville. Ny GMP ( Groupe Mobile de la Police ), nahitana an-dry Brechard Rajaonarison no voampanga fa anisan’ny nifofo ny ainy. Nandeha niadana ny fiarakodia 4L fotsifotsy 5355 TD niakatra an’Ambohijatovo. Nisy fanamboaran-dalana teo nataon’ny EEM. Nirefotra ny basy. Zimbo no voatonona ho nitifitra ny filoham-panjakana kolonely Richard Ratsimandrava tamin’izany. Ny kolonely Rakotomanga Mijoro no komandin’ny Zandarimarim-pirenena tamin’izany. Naharay hafatra tamin’ny manamboninahitra mpiandry raharaha tao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Mahamasina mikasika ity vaovao ratsy ity izy. Tonga teny Ambohijatovo ihany koa ny Kolonely Rabetafika Rolland niondrika teo amin’ny vata mangatsiakan’ny kolonely Richard Ratsimandrava. Nisento hoe ” dia lasa letsy ialahy Richard ? “. Hamonjy fodiana hody Ratsimandrava Juliette anabaviny no nahita ny fiaran’ny Kolonely Richard Ratsimandrava nitsivalana an-dalambe ka nanontany hoe : ” Fa aiza Richard ? “. Ny fiaran’ny Chef d’Escadron Rakotorahalahy, lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria tao Mahamasina no nitondra azy teny Befelatanana. Niomana ny hanao ny fandidiana maika ny Dokotera Blaise Randriarimanga, fianakaviany sady mpitsabo azy ihany, saingy efa tsy nitempo intsony ny fony. Teo dia nisy ny fanafihana natao ny GMP teny Antanimora, satria tao no noheverina fa namono ny kolonely Richard Ratsimandrava,… nohon’ny fahasosorana sy alahelo. Nandalo teny amin’ny ” La Catalane “: Toby Ratsimandrava amin’izao ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa niantso fivorian’ny manamboninahitra nandrafitra ny ” Directoire Militaire “.
– Kapiteny Ramakavelo D. P ( Dir Cab Mil ).
– Andro vitsy taorian’io, maty Commissaire Ranaivoson izay niandraikitra ny fanadihadiana. Na izany aza, nisy ny fitsarana miaramila nitsara ity raharaha ity, saika niakatra teny amin’ny fitsarana Anosy avokoa ireo voarohirohy tamin’ity raharaha ity sy ireo vavolombelona. Nisy ny nigadra, nisy ny afaka, na izany na tsy izany, mbola tsy tena mazava hatramin’izao ny tena nahafaty ity filoham-panjakana ity, na voalaza aza fa notifirin’ny GMP teo Ambohijatovo ambony izy. Izy izay nambara fa rain’ny ala-olana, nomena izay anarana izay izy satria talohan’ny naha-filoham-panjakana azy, ministry ny atitany ny kolonely Richard Ratsimandrava ary namaha ny olan’ny Malagasy rehetra na taiza na taiza tamin’izany, tamin’ny fandaharana nataony tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy tamin’izany fotoana izany.