EDITO 12 Febroary – Fitondrana Rajoelina, adino tanteraka ireo tena maharary ny vahoaka

Rajaonarimpanontsana

Tena mahay mitsitsy tokoa ve ny fitondram-panjakana ankehitriny satria isan’ireny ny nanenana ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ho 21, miampy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria iray, raha 30 mahery izany teo aloha. Fantatra ihany koa fa hanakaiky ny faritra amin’ny alalan’ny Governora 23 ny fitondrana hanatanteraka ireo velirano sy ny vina kasain’ny filoham-pirenena hatao. Saingy ny indro lehibe dia izao; adino tanteraka ireo tena naharary ny vahoaka raha tsy hiteny hafa-tsy ny firongatry ny tsy fandriampahalemana isika. Isan’andro vaky izao dia tsy maintsy misy fanafihana mitam-piadiana, fanendahana, fakana an-keriny, fanolanana, sns… ary efa tena mizaka ny tsy eran’ny aina ny vahoaka sendra izany. Tena efa mampiteny ny moana, hoy ny fitenenana iray izay.

Nankaiza àry ilay Drone, ireny fitaovana natao hamongorana ny dahalo sy jiolahy rehetra ireny? Zary lasan-ko vavany fotsiny, hoy ireo olona tra-pahavoazana ireo. Efa nanantena mantsy ny vahoaka fa dia handray an-tanana ary tena hanao laharam-pahamehana hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ny fitondrana ankehitriny, satria tokoa mantsy tsy afaka ny hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampandrosoana ny mponina raha tsy misy ny fandriampahalemana. Hisy fiantraikany amin’ny toe-karen’ny firenena ihany koa izay toe-javatra izay. Mbola taratry ny fahaizana mitsitsy koa àry ve ny tsy hirosoana avy hatrany amin’ny famongorana ireo dahalo rain-dahiny ireo. Sa mbola tsy tonga ny famatsiam-bola hividianana ireo fitaovana rehetra ireo? Sanatria tsy hamendrofendro isika fa mampaneno lakolosy ho an’ny fanjakana mba handraisany andraikitra haingana hamongorana ireo dahalo sy Jiolahy maro ireo.