Miala any ny ZES – Tozzi Green sy Sipromad (Ylias Akbaraly) – Mponina fokontany telo ho angotana amin’ny tanindrazany

Mijoro ny mponina ao Farihitsara Sahanivotry manoloana ny tetikasa fanalàna azy amin’ny taniny, toerana ionenany, toerana najariany, lova avy amin’ny razambe. Tetikasa sahanin’ny orinasa italiana Tozzi Green izay miara-miasa amin’ny Groupe Sipromad, tantanan’i Ylias Akbaraly, mpanefoefo indrindra eran’i Madagasikara, ary faha-dimy eran’i Afrika “francophone”.

Ampiasaina ny ZES (Zone Economique Spéciale), lalàna nolaniana tamin’ny taona 2018 tamin’ny fomba tsy mazava, ka manome vahana ny mpamatsi-vola hanana tany be velarana sy hampiasa izany tany izany, ka lazaina hoe mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy.

Roasina amin’ny alalan’ny hoe “expropriation d’utilité publique” ny mponina. Esorina aminy ny zo maha-tompontany azy. Araka ny lalàna anefa dia tsy maintsy ampafantarina amin’ny antsipiriany ny antony hanalàna ny mponina amin’izany tanindrazany izany, ary tsy maintsy teny ieràna.

Tsy mazava anefa ny tena tombontsoan’ny firenena iray manontolo. Tsy misy fampahalalàna ataon’ny fanjakana. Tsy misy fifanarahana amin’ny mponina. Voahitsakitsaka ny zon’olombelona.

Fokontany telo no tadiavina esorina sy foanana eo Farihitsara Sahanivotry. Tanimbary najary tamin’ny andron’Andrianampoinimerina vokatrasan’ny Ntaolo taloha. Toerana amoron-drano nototorana ambolena vary. Farihimeloka no anarany tamin’izany fa amin’ny maha-voka-bary azy dia navadika hoe Farihitsara, tanimbary be velarana izay tadiavina ho totofana.

Tsy vitan’i Sahanivotry irery fa manomboka hanenika an’i Madagasikara ny fampiasàna ny ZES ka hisy fiantraikany amin’ny fananantanin’ny tantsaha.

Manao fampielezankevitra ny fandaharana MBS “Zo sy Andraikitra” manentana ny Malagasy ho saro-piaro ny taniny sy ny tanindrazana nolovaina avy amin’ny razambeny ka sahy hijoro sy hilaza ny zava-miseho. Mandady ny trambo manambitamby vola sy manambaka ireo izay azony araraotina.

MBS – Zo sy andraikitra – Sahanivotry (tapany voalohany)
Ratsimbazafy Nantenaina – Mpahay lalàna – Mpiaro ny zon’olombelona