Asaramanitra teny Iavoloha – Sambany tsy natrehana Praiministra am-perinasa

Isambilo

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha omaly, ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra teo amin’ny Filoham-panjakana Rivo Rakotovao mivady, sy ny andrim-panjakana misy eto amin’ny firenena ary ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika. Ny nanaitra ny maro tamin’ity lanonana indray mkitoraka ity, tsy nanatrika izany lanonana izany ny Praiministra Ntsay Christian, izay sambany nisy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Hatramin’izay, vory lanona hatrany teny amin’ity lapa eny Antananarivo Atsimondrano ity ireo filohana andrim-panjakana eto amin’ny firenena: ny Filohampirenena mazava ho azy, satria izy sy ny vadiny no arahabaina eny, ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiministra, ny filohan’ny HCC (Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana), izay tsy tonga ihany koa omaly. Ho an’ity farany, tsy tonga izy satria manomana ny famoahana ny voka-pifidianana anio tolakandro. Fa ho an’ny lehiben’ny governemanta Ntsay Christian kosa dia tokony hitarika ny lanonana izy, satria efa herinandro no nahafantarana ny fisian’izao lanonan’ny Asaramanitra izao. Momba ity lanonana omaly ity ihany, tonga niatrika izany ny kandidà filoha Marc Ravalomanana, sy Ramatoa Lalao Ravalomanana vadiny, izay ben’ny tanànan’Antananarivo . Tsy tonga niatrika izany kosa ny kandidà Andry Rajoelina na nahazo fanasana aza. Raha ho an’ny Praiministra, nisolotena azy nandritra izao fotoana izao ny ministry ny fiarovam-pirenena, jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, tsy nisy novainy ny kabary efa nomanin’ny Praiministra Ntsay Christiana fa novakiany araka izay efa voasoratra tao.