EDITO 8 Janoary – HCC: miandry ny voka-pifidianana araka ny fahamarinana ny Malagasy

Andry Tsiavalona

Misavorovoro ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny Malagasy amin’ity andro iandrasana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ity.

Tsy fantatra intsony iza no manome baiko ireo “herim-pamoretana” manaparitaka ny vahoaka amin’ny alàlan’ny baomba mandatsa-dranomaso sady manenjika ny olona hatrany anelakelan-trano rehetra any. Mampahatsiahy ny tamin’ny taona 2009 satria toy ny “FIS” misaron-tava mainty ireo mitaingina fiara 4×4 an’ny “brigade anti-gang”, kanefa tsy mpangalatra ny mpitaky ny fahamarinana eny an-kianjan’ny 13 Mey. Mazava ho azy fa izay manome baiko ireto zandary sy polisy ary miaramila ireto dia matahotra mafy ny hisehoan’ny marina rehetra momba ny hosoka sy hala-bato nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa iny. Tsy vitan’ny fanaparitahana amin’ny alàlan’ny baomba mandatsa-dranomaso intsony ny raharaha fa efa misy koa ny fisamborana, ka hamoronana vesatra hanamelohana azy ireo voasambotra, ka hafainganina ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana nanomboka omaly. Tsy vitan’izany fa efa manomboka ihany koa ny fandorana foibe haino aman-jery iray ka andro vitsy taorian’ny fanambaran’ny minisitry ny serasera fa hakatona izay onjampeo mandranitra fifankahalana sy fampiadiana foko. Tsodrano no nomen’ny ben’ny tanàna tamin’ny taona 2009 rehefa nandrisika ireo mpanaradia azy izy tamin’izany fotoana izany. Iaraha- mahatadidy ny nandorana ny onjampeom-pirenena sy ny fahitalavi-pirenena, sy ny nandorana ny MBS tamin’izany, izay nampangaina fa nitongilana tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana Marc. Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy anefa dia misy onjampeo tena mivoy fifankahalana sy fifandrafian’ny samy Malagasy. Tsy mbola hita aloha hatramin’izao izay nataon’ny minisitry ny serasera fa noho ny fisian’ny hetsika sy ny fisamborana dia ny onjampeo miezaka mamoaka ny marina sy ny zava-misy indray no toa hampitahorina. Efa mirona sy miaina ny “velirano” koa, angamba, ny minisitra na dia minisitra HVM aza.

Raha ny tranga rehetra ankehitriny tokoa no dinihana dia fomba fiadin’olona iray ihany izay nitranga tamin’ny taona 2009 sy ny mitranga amin’izao fotoana 2019 izao. Angamba, mety ho sarotra ny haniraka miaramila tsotra hibaiko ny minisitry ny Fiarovam-pirenena toy ny tamin’ny taona 2009 dia mbola natao izany. Raha ny lahatsoratra navoakan’ny gazety an-tsoratra tamin’ny sabotsy lasa teo tokoa no fakafakaina dia niampanga mivantana ny Minisitry ny Fiarovana amin’izao fotoana ho miandany amin’ny “fahavalo” izay heverina fa ireo olompirenena mitaky ny fahamarinana etsy amin’ny Kianjan’ny 13 Mey no lazainy fa fahavalo. Tsy mahagaga araka izany raha toy ny any ambavahady ka mifanandrina amin’ny fahavalo tokoa ireo zandary sy polisy ary miaramila izay mirongo basy etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Tsapa fa tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiara 4×4 miloko fotsy misy fitaratra mainty, nataona fiara’ny tafika roa tao afovoany, nijanona teo anoloan’ny “parvis” no nanomboka ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso izay mampahatsiahy ihany koa ilay manamboninahitra nalaza tamin’ny taona 2009. Misy gazety an-tsoratra nivoaka omaly ihany koa namoaka fa misavoritaka ny eo anivon’ny K25. Raha ny zava-misy etsy amin’ny Kianjan’ny 13 Mey anefa dia izay manome baiko ireo zandary sy miaramila ary polisy, izay fantatra amin’izao fotoana izao fa ny praiminisitra Mapar, no tena mihorohoro, ka ny fampiasan-kery sisa no heveriny fa tsy hampivoaka ny marina. Ny tokony ho fantatra dia ireo olompirenena mihetsika manerana ny Nosy izay mitaky ny hamoahana ny marina dia efa vonona sy sahy ary maneho fitiavan-tanindrazana amin’ny fijoroana amin’ny fiarovana ny safidiny. Ny fahamarinana tokoa no manandratra ny Firenena.