Filoha Ravalomanana – Soa iombonan’ny Malagasy no tadiavina fa tsy ho ahy irery

Isambilo

Nahazo fanasana ary niatrika ny lanonan’ny Asaramanitra teny amin’ny lapam-panjakan’Iavoloha omaly, ny kandidà Filoha Marc Ravalomanana, niara-dia taminy tamin’izany Ramatoa Lalao Ravalomanana vadiny, izay sady ben’ny tanànan’Antananarivo.

Izao fihetsika izao no manaporofo fa tena ray aman-drenin’ny Malagasy marina i Dada, tsy miolonolona fa vonona hatrany hihavana amin’ny Malagasy rehetra, tsy toy ny kandidà Andry Rajoelina, tsy nipoitra teny Iavoloha na nahazo fanasana aza, fotoana ihany koa anefa ireny tokony ho nisehoany teny raha tena nanao ny marina izy ka mihevitra ny ho lany Filohampirenena. Matoa tsy sahy niseho sehatra vory vahoaka toy ireny dia ao raha.

Fa tao aorian’ny lanonana, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety i Dada, nambarany tamin’izany fa hiatrika ny lanonam-pitsarana hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana fihodinana faha-2, etsy Ambohidahy izy anio tolakandro. Soa iombonan’ny Malagasy no katsahana hoy izy fa tsy ho ahy ireny. Nilaza izy fa matoky tanteraka ny HCC, matoa ihany koa aho izy tsy tonga teny an-kianja dia ho fanajana ny lalàna izany, ireo olona mitaky ny fahamarinana sy ny safidiny hoy izy no mandeha amin’ny nahim-pony mankeo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nosoritany fa efa samy nanamarika ny tsy fetezana sy hosoka ary halatra tamin’iny voka-pifidianana vonjy maika navoakan’ny CENI iny ny rehetra, toy ny : filohan’ny FJKM, ny fiarahamonim-pirenena, ny olon-tsotra, … Na izany na tsy izany, miandry am-pitoniana ny vokatra havoakan’ny HCC isika, matoky ireo ao amin’ity andrimpanjakana ity aho hoy izy, ary mino aho hoy izy fa tsy maintsy hivoaka foana ny marina. Nolazainy tamin’izany ny fisian’ny biletà tokana tsy nisy nomerao, ny taha-pavitrihan’ny mpifidy nihoatra ny 100%, ny vaton’ny N°25 lasan’ny N°13,…