EDITO 3 Janoary – Olom-pirenena tompon’andraikitra – Tsy maintsy sarotiny amin’izay hahasoa ny fireneny

Sôh’son

Hadisoana bevava atao amin’ny firenena ny fitazanam-potsiny tsy mandray andraikitra amin’ny hihanahan’ny ratsy. Adidy masina mivesatra eo an-tsorok’izay mbola mahatsiaro tena ho Malagasy ray Malagasy reny ary rà Malagasy no mikoriana ao anatiny ny filofosana hametraka zavatra tsara sy soa eto amin’ny firenena. Tsy tokony hafangaro araka izany ny fijery amin’ny lafiny ara-panahy sy ny lafiny fiainam-pirenena. Tsy hoe tsy tokony hifandray sy tsy ilaina io lafiny iray io fa tsy tokony hatao ao anaty kitapo iray na bango tokana velively izy ireo. Eo ny ilàna ny fahaizana manavaka “discernement”, ary raha tsy mahay izay dia tsy tokony haneho hevitra amin’izay fampifangaroana izay hamitaka vahoaka fa mila mianatra tsara aloha.

Misy mantsy olona, misy mpitondra fivavahana, mitady hamilivily ny resaka amin’izany, ka ahatonga ny olom-pirenena ho sahiran-tsaina amin’ny toe-java-misy ankehitriny, ka hitarika azy hihalangalana tsy handray andraikitra. Tsy maintsy mijery ny zava-misy eto amin’ny fireneny ny olom-pirenena mahatsiaro ho tompon’andraikitra sy sarotiny amin’ny fireneny.

Fotoana izao hitsipahana ny foto-pisainana nafafin’ny mpanjanatany tamin’ny fotoan’andro ny amin’ny fampisaraham-bazana ny vahoaka Malagasy mba hahafahana mifehy azy sy mandroba ny hareny, fa firaisan-kina hiady ny hampanjaka ny rariny sy hitsiny eto amin’ny firenena no zava-dehibe. Mila mijery ny zava-misy iainany sy ny an’ny manodidina azy ny tsirairay ary manokatra ny sainy tsara dia ahita sy ahafantatra ny zavatra tokony ataony manomboka izao.

Tsy misy jamba lalina toy ny minia mikimpy, hoy ny fitenenana. Tsy lavina, mety hisy olona sasantsasany hanao izany ihany noho ny vola nanajamba ny masony sy ny tsipitsipy kely tsy mahavita volana akory, fa ny olom-pirenena vanona sy mitsinjo izay hahasoa ny fireneny sy ny taranany tsy ho voasarik’izany velively.