Xavier Béni, Ministry ny fiarovam-pirenena – Nanaja ny teny nomeny!

Nitana ny teny nomeny hatramin’ny farany ny ministry ny fiarovam-pirenena Béni Xavier ary nanaraka ny toromarika izay nomen’ireo tompon’andraikitra mandrafitra ny fibaikona anatin’ny fiarovam-pirenena, ny CEMGAM/COMGN/SEG.

Niala teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey Analakely avokoa ireo miaramila sy zandary. Ny teo anivon’ny polisim-pirenena no nanala ny olony voalohany.

Nisy mpanao gazety iray izay mpanolotsaina manokan’ny praiministra Ntsay Christian, nanakiana mafy ny ministry ny fiarovam-pirenena nanambara fa misoloky andraikitra manoloana io fanapahankevitra noraisiny io.