EDITO 29 Desambra – Ny fampanjakana ny MARINA ihany no hampandroso ity firenena ity

Sôh’son

“Ny vato no mikodia mitady tany marina”, io no teny hanombohantsika ny resaka eto.

Milaza fahendrena be dia be ao anaty soatoavina Malagasy izany. Iaraha-mahita ny zava-misy ankehitriny fa terena hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana ity firenena ity ary ampidirina amin’ny fahalovana sy haratsiana faratampony. Mampibaribary izany ny fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny Ceni ny alakamisy 27 Desambra tolakandro lasa teo iny. Misy firaisana tsikombakomba ratsy ataona olom-bitsy manina ny “tongolon’i Egypta” tamin’ny taona 2009 nanjakan’ny gaboraraka sy fandrobana ny harem-pirenena eto amin’izao fotoana izao, ary ao anatin’izany, miray petsapetsa amin’izy ireo ny mpanao politika maloto frantsay rehetra. Na dia miafina fatratra ihany koa aza dia fantatra mazava fa misy dian-tanan’ny franc-maçon ao ambadik’izao filazana sy fikasana hampanjaka ny zava-tsy marina izao. Ezahina mihitsy aza ny hanitsakitsaka izay marina tokony hitoetra amin’izay eto amin’ny firenena, ka hanao izay tsy hivoahan’ny marina izay.

Tsy hahasoa velively ny vahoaka sy ny firenena Malagasy na haniry nify aza ny akoho, hoy ny fitenenana, ny fanosihosena sy fanitsakitsahana ny fahamarinana izany. Fanapotehana ny firenena tsotra izao izany, n’inona n’inona hambara. Ny fanambaran’ny Ceni teo dia tena fanehoana sy finiavana hanapempo sy hanasa ati-doha ny vahoaka hanaiky zava-tsy marina sy feno hosoka mbamin’ny kolikoly avo lenta. Fomba ratsy toy izany ve no tiana holovain’ny taranaka any aoriana any, dia hanao ahoana no hiheveran’ny any ivelany antsika Malagasy amin’izany? Efa manaiky sy niroso ho tompon’andraikitra amin’izany hatreto ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny Ceni, ka tsy ho afa-bela ao anatin’ny tantaran’ny firenena.

Fa ny Malagasy vanona mandala ny fahamarinana sy mbola mitsinjo ny hahasoa ny taranaka fara aman-dimby dia tsy manaiky izany marindrano. “Ny vato no mikodia mitady tany marina”, ary tsy maintsy karohina ny marina. Izay ihany no hany lalana hahasoa ny firenena ankehitriny sy amin’ny ho avy manaraka rehetra. Matoa misy ny hetsika hotanterahin’ny mpiaro sy mpitaky ny MARINA tamin’iny fifidianana iny dia hetsika hahasoa ny firenena izany fa tsy hanakorontana velively akory.

Tadidio, fa tsy hahasambatra sy tsy hampiadana ny vahoaka velively ny tsy fampanjakana ny fahamarinana. “Ny firenena mandroso dia fatra-piaro ny marina, manaja ny fahamarinana”, hoy ilay Malagasy mpandinika mpanoratra iray tany amin’ny taona 1924. Ka raha mifanohitra amin’izany no tiana hampanjakaina eto dia mazava loatra fa tsy hisy fampandrosoana izany eto. Resaka adala fotsiny araka izany ny teny fisandratana voizin’ny laharana 13 izany satria iaraha-mahita sy miharihary izao ny zavatra efa nataony nialoha sy nandritra ny fifidianana. Ny marina anefa toy ny afo, raha fonosina mandoro”, ka milalao afo izay manakobona ny marina. Ny Ceni efa sahy milalao izay afo izay ankehitriny dia hiaraha-mahita eo ny fiafaràny.