HCC: mizotra amin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana

Andry Tsiavalona

Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) ny Alakamisy 27 Desambra 2018. Ny zava-nisy dia tsy natao hatramin’ny farany ny fampitahana ireo vokatra amin’ny alàlan’ny fitanana an-tsoratra (PV) sy ny biletà tokana (bulletin unique original) orizinaly ary ny lisitry ny mpifidy satria noroahina teny amin’ny CENI ireo nanao izany avy amin’ny K25 ny Talata alina tamin’ny 12 ora alina. Tsy navela naka sary ireo antotan-taratasy ireo intsony ireo solontenan’ny K25 raha navela nanao izany tany am-boalohany. Manaporofo ireo tranga ireo fa efa hala-bato sy hosoka nomanina mialoha no nataon’ny governemanta sy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana ary ny kandidà laharana faha-13, Rajoelina Andry. Manana porofo ny momba ireo ny K25 ary nasehon’izy ireo tamin’ny haino aman-jery izany. Ny fitanana an-tsoratra “scanné” koa dia tsy azo antoka fa tena ilay fitanana an-tsoratra (PV) tena avy any amin’ny birao fandatsaham-bato tokoa ilay izy satria azo foronina izany ary “scanner-na” izany avy eo dia halefa.

Tamin’ny fifanatrehana faharoa (débat face à face) ny Alahady 16 Desambra 2018, tao amin’ny TVM sy RNM, dia efa tsapa fa manaraka izay sitrapon-dRajoelina Andry fotsiny ity andrim-panjakana ity sy ireo ao amin’ny ORTM. Manaporofo izany ny nanovàna ny isan’ny olona nanotrona ireo kandidà roa lahy izay tokony ho 27 kanefa tsy neken-dRajoelina Andry io isa io dia dimy sisa no nahazo nanatrika izany. Raha ny marina koa dia tsy nanaja ny ora fanombohana ity kandidà ity ka tokony ho nofoanana iny adihevitra iny noho izany tsy fifanajàna izany, tsy eo amin’ny lafiny maha-olona fotsiny fa indrindra eo amin’ny lafiny hoe olona hitondra firenena no tsy manaja fotoana dia efa taratry ny tsy fahamatorana sahady izany. Ny olona tsy manaja ny zavatra nifanarahana ihany koa dia tsy azo itokisana, indrindra raha olona mihambo hitondra Firenena izany.

Tsy iadian-kevitra ireo hosoka sy hala-bato ary ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka izay heverina fa tsy maintsy hamoahan’ny fitsarana sazy mifanandrify amin’izany. Na izany na tsy izany dia tsy azo ekena ny namitahana ny vahoaka Malagasy tamin’ny nampifidianana azy tamin’ny biletà tokana tsy nisy laharana izay tsy ara-dalàna araka ny Lalàna Fehizoro (Loi Organique) laharana 2018/008 ny 11 Mey 2018, Andininy faha-120.

Dradradraina anefa fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Efa hita hatramin’izay fa betsaka ireo fanitsakitsahana ny lalàna velona, hatramin’ny Lalàmpanorenana mihitsy izany. Araka izany dia na ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hamoaka didy hanilihana tsotra izao (disqualification) ny kandidà Rajoelina Andry noho ireo porofo rehetra nanomanana ny hosoka isankarazany, na hanafoana ny fifidianana fihodinana faharoa, ka tsy ireo eo amin’ny fitondrana (governemanta, Ceni) efa niray tsikombakomba tamin’izao raharaha maloto izao no hanomana izay fifidianana hatao indray.

Tsy fiarovana kandidà no hihetsehan’ny vahoaka Malagasy fa tsy fanekeny ny hosoka sy hala-bato ary famitahana azy nandrotsahany biletà tokana tsy misy laharana tamin’izao fifidianana izao koa anjaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mandinika sy mamakafaka ny tranga rehetra ka hamoaka didy mifandraika amin’izany.

Raha dinihana dia sarotra ho azy ny hanintsana an-dRajoelina fa ny fanafoanana iny fifidianana iny no tokony hitranga, fifidianana tsy nilamina: olona 2 no maty, hosoka maro no hita: kara-pifidianana, karapanondrom-pirenena hosoka maro no nivoaka. Mitodika eny Ambohidahy izany izao ny mason’ny rehetra, mba tena hitsara am-pahamarinana izy ireo fa tsy hitanila toy ny CENI, izay niaro tena fatratra ny alakamisy teo, hoy ny fomba fiteny vazaha izay hoe: “qui s’excuse, s’accuse”, izany hoe: matoa niaro tena fatratra ny CENI tamin’iny fotoana iny, dia tena meloka tokoa izy ireo…