02:00 > Miara-mampita – Fifidiana: Céni, halabato, vokatra vonjimaika 27 Desambra – Fernand Cello – Vahiny nasaina: James Ratsima sy ny mpitandrina Philbert Ramamonjisoa

James Ratsima: Dieny mbola tsy tara loatra, hoy ny filoha Ravalomanana, mba mieritrereta fa taranaka Malagasy koa ianareo. Manana anarana ianareo entin’ny zanakareo ary ho afabaraka mandrakizay eto amin’ity firenena ity.
Mijoroa ry vahoaka. Safidinareo no itsakitsahina. Raha hanaiky an’io ianareo, dia aleo ho andevo eto amin’ny tanintsika mandrakizay isika. Fa raha mbola tianareo ny taranakareo, miandrandra anareo ireo taranaka ireo. Tsinjovy ireo fa be izay adalàna nataon’ny mpitondra teto izay, ary anisan’izany io tetezamita io. Mijoroa ry vahoaka, arovy ny taranaka fa taranaka Malagasy iraisana ireo.

Ny mpitandrina Philbert Ramamonjisoa: Mila mijoro ny olompirenena. Mila mandray andraikitra ny olompirenena. Mila miaro ny fahamarinana ny olompirenena. Satria ny fifidianana no maha-olompirenena anao. Io ihany no maha-tahan’ny demokratika.
Ny olona mitondra eo dia tsy maintsy fifidianana madio no ipetrahany eo. Raha tsy mampiseho an’izay izy dia efa toe-tsainan’ny mpangalatra izany.
Raha hamoaka izy rahampitso dia tonga amin’ny tanjony izy, izay hampiady ny Malagasy. Fa ny famoahana an’io koa dia endrika hijoroana.