Idealson – Sazio! – Mpitsara amperinasa nanao fampielezankevitra sy nanagona PV

24h Mada

Nanitsakitsaka ny lalàna ny Mpitsara Idealson.

Araky ny hita eto amin’ny sary dia ity mpitsara ity no nanangona ny voka-pifidianana farany teo tamin’ny alalan’ny elikopteran’ny andida laharana faha-13.

Nasehony tsara mihitsy eto amin’ny sary ny marika eo amin’ny tanany izay mirona mankany amin’ny kandida laharana faha-13.

Araky ny fanadihadiana dia mbola miasa eo anivon’ny Fitsarana i Idealson ary mpikambana ao amin’ny “Conseil d’Etat”.

Nisy fazahoan-dalana manokana ve nahafahany ity farany manao fampielezan-kevitra sy fanangonana PV tahaka izao? Sa ny Minisitry ny fitsaràna mihitsy no nanome ny tenany fazahoan-dalana manokana?

Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny: handray ny andraikiny ve ny Ministeran’ny fitsarana?

Ho atokisana ve ireo PV nalain’ity mpitsara ity tamin’ireo distrika maro nanerana an’i Madagasikara?

Ahoana moa izany no nandinganan’ity Mpitsara ity ireo mpitsara miasa eny anivon’ny SRMV?

Fehiny, ny HCC izay afaka manapa-kevitra ny mahakasika ny fandikan-dalàna tahaka izao ve hanafoana ny vato tamin’ireo distrika nandehanan’ity mpitsara mitanila ity?