Manakoako ny antson’i Constant Raveloson Constant ho an’ny CENI: “Hajao ny safidiko!”

Tsinain-kena manao ahoana moa izy ity no vonjivonjena hoatran’io?

Rehefa hitam-poko hitam-pirenena ren-tany ren-danitra fa misy zavatra tsy tomombana, tsy mety, maninona raha alamina tsara dia mba tsy hieritreri-dratsy momba ny Céni aho.
[…]

Izao mihitsy no fotoana ampisehoan’ny Céni hoe olobe mahalala ny andraikiny ary mahazaka ny andraikitra apetraka aminy.Raha izay no izy dia tsaraintsika amin’ny ataony eo rahampitso.
Ary raha ny Céni indray no manao hoe tsy maintsy atao vonjy tavanandro na vonjivonjena hoatran’ny tsinainkena ity dia tsy hisy hahasakana ahy hieritreritra fa anaty tsikombakomba ve izany ny Céni? anaty tetika efa mati-paika ve izany ny Céni?
[…]

Anjaran’ny Céni no mampiseho fa madio izy.
[…]

Izaho hanentana ny komity miaro ny faha-13. Amporisionareo ny Céni hamoaka izay tena marina, ambarao mazava hoe izahay tsy ao anaty izany tsikombakomba ratsy izany. Madio ny anay ny eritreritray nanohananay iny faha-13 iny, dia asehoy eo fa madio ianareo.
Amporisio ny Céni hoe alao hivoaka ny tena marina. Alao hivoaka isaky ny BV. Alao hivoaka isaky ny lisi-pifidianana ary alao hivoaka mazava hoe nankaiza daholo ny biletam-pifidianana.
Izany rehetra izany dia tsy vita rahampitso. Raha izaho ianareo tsy menatra hiteny an’izay. Dia am-boninahitra no hanajàn’ny firenena anareo raha mahasahy miteny an’izay ny Céni ianareo.

Teny tokana ny antsika. Hajao ny safidiko!

Ho hita eo ny atoan’ny Céni ny Alakamisy. Zoma isika mieritreritra tsara ny anaovana azy. Sabotsy isika mifankahita!