EDITO 20 Desambra – Raharaham-pirenena – Ny anisan’ny dikan’ny isa 13 sy 25

Sôh’son

Dia niditra tamin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena eto Madagasikara omaly. Efa tapitra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra momba izany, tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Anisan’ny nanamarika iny fihodinana voalohany iny ny fanindrahindrana ny isa amantarana ny Kandida tsirairay. Tsy azo itokiana hitondra inona ho an’ny firenena anefa ny fitenenana ireny, ary misy aza isa tena milaza zavatra ratsy mihitsy.

Isa 666 – Tsy mba nisy nahamarika izany ireo mpiresaka isa nandritra iny fihodinana voalohany iny. Fa ny azy sy ny Kandida notohanany no nataony ambentin-dresaka. Nisy laharana 1-36 ireo Kandida nifaninana ireo. Rehefa atambatra ny isa 1+2+3+…+36 = 666. Zovy no tsy mitsangam-bolo rehefa ny isa 666 no voateny. Nisy mihitsy aza tamin’ireo Kandida ireo, efa norabian’ny sasany ho 666.

Midika ve izany fa, ny fitambaran’ireo Kandida 36 ireo dia “Bibidia”, ilay 666 ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? Sarotra tanteraka ny hino izany. Isa tsy azo ahodinkodina anefa izany tenenina izany, ary tsy noforonina na ny fitambarany, na ny hevitry ny 666. Aoka ary hifantoka amin’izay Programa mitombina na tsia ny fandinihana, fa tsy horebirebena amin’izany isa izany.

Isa 13 – Ny Kandida laharana faha 13 no iray nifaninana ho Filoham-pirenena, amin’izao fihodinana faharoa izao. Mety ho takatry ny mpomba azy, izay mpanindrahindra ny isa 13 tokoa ve, ny dikan’io isa 13 io?

Teo amin’ny Fiangonana Kristiana, dia nilazana Menarana, Satana, ary mpamono olona io isa 13 io. Ny Jao 13 dia nilazan’i Jesoa ilay olona hamadika Azy. Zoma 13 Nisana (volana jiosy), no namonoana an’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana. Satria Sabata 14 Nisana ny taorian’io.

Ho an’ny mpivavaka jiosy, dia Zoma 13 no nakan’ny devoly fanahy an’i Eva, ka nanomezany an’i Adama, ary nahavoaroaka azy ireo tao amin’ny Paradisa. Faha-13 ny volana koa no namoahan’i Amana didy handringanana ny Jiosy faha Estera (Est 3:12).
Dia mino ve isika fa, Kandida manana izany tokoa io faha 13 io? Zavatra ratsy avokoa ireo voalazan’ny isa 13 ireo mantsy: famonoana, fandringanana, fanapotehana, famadihana…Aoka izay programany no hitsaran’ny mpifidy ny olona heveriny hitondra azy, ary aoka ny Kandida sy ny mpomba azy tsy hanasohaso isa.

Isa 25 – Ity isa 25 ity, dia nentin’ny Kandida iray koa tamin’ny Fihodinana faharoa. Isa roa no manome ny 25, dia ny isa 2 sy 5. Ny isa 2 dia milaza fifandanjana, fahatsiloantsaina, fifandraisana, diplomasia, ary ny zavatsoa ho an’ny fanahin’ny olombelona. Ny isa 5 indray dia milaza fiovana lehibe fahaiza-manararaotra toe-javatra hanaovana soa, fanaovana safidy amin’ny fiainana, fahaizana marolafy, faharisihana.

Koa rehefa atambatra ireo voalazan’ny isa 2 sy 5 ireo, dia ny finoana fahatokiana ao amin’ny tena no misongadina. Mamporisika ny tena izany hanao fiovana lehibe, satria hahasoa ny ho avy izany. Tsy mampihemotra mihitsy ny firosoana ho amin’ny fiovana hanana ny tsara, na dia tsy mbola tazana aza ny lalana mitondra mankany.

Fa tsy misy afaka hitompo teny fantatra fa, izay laharana faha 25 tany am-pianarana dia nanana izany tokoa, izay fiara na tsena na rihana na birao misy 25 dia toy izany koa.

Hamita-tena isika raha mitoky amin’ny isa milaza tsara ho anao na milaza ratsy ho anao.

Izay programa mazava hahasoa ny firenena no hitsaran’ny mpifidy antsika. Indrindra zava-doza ho an’ny firenena ny fialana amin’ny finoana ny Tompo, ka hiantehatra amin’ny finoana ny isa.