14:30 > Fifidianana – Vaovao tapatapany (25) – Horohoro – Taolagnaro – Fitifirana mpanatitra voka-pifidianana tao amin’ny SRMV

Taolagnaro –  mitohy hatrany ny asa fampihorohoroana

Mpikambana iray ao amin’ny K25 no nisy nitifitra alina tokony ho tamin’ny 2 ora maraina raha izy hamonjy fodiana iny. Marihina fa avy nanatitra ny voka-pifidianana niaraka tamin’ny ekipa k25 tany amin’ny SRMV Tolagnaro ka hamonjy fodiana no sendra roalahy nitondra moto nanaraka azy ary nikapokapoka ny fiara nentiny. Nivoaka ny fiara araka izany ity niharam-boina ity ka niharan’ny herisetra ary niafara tamin’ny fitifirana. Voa teo amin’ny andilany ary nivoaka ny vatany ny bala. Noentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana tao aorian’izany. Raha ny fantatra dia hoentina ho tsaboina aty an-drenivohitra ny tenany.

Sary nindramina