Fifidianana – Andohan’Ilakaka – Fifidianana maloto – Mila foanana ny voka-pifidianan’ny fokontany Bepeha, Manombo Kely sy ny hafa koa

Amin’izao fifidianana filohan’ny repoblika izao dia mitaraina ny mpomba ny K25 ao Andohan’Ilakaka satria tsy fifidianana avy amin’ny hetahetam-bahoaka no mitranga fa fifidianana maloto.

Tamin’ny Alatsinainy 17 Desambra teo dia efa nampitahorina sy norahonana ny mpifidy. Mitantsoa sy Mr Zidane no nampihorohoro tao amin’ny radio Saphir izay radio-n’ny ben’ny tanàna ary torak’zany teo amin’ny Val Radio, izay RNM eo an-toerana. Tao amin’ny fandaharana dia nisy ny fandrahonana ny mpifidy, nisy ny fanavakavaham-bolonkoditra, nisy fiantsiana adim-poko, natao ny fanaratsiana an’i Fernand Cello sy ny namany.

Ny Alaraobia 19 Desambra, andron’ny fifidianana dia natao izay hampizarazaràna ny K25. Noho ny antony azo saintsainina dia tsy nanao ny asany ny tompon’andraikitra izay tokony hametraka délégué de vote teo amin’ny fokontany miisa telo, isan’izany Bepeha, Manombo Kely sy Tsaratanana. Noho izay antony izay dia nandalo i Fernand Cello, tompon’andraikitra ny K25 izay tsy teo Andohan’Ilakaka Ville fa tany amin’ny fokontany hafa.

Tonga teo Bepeha dia nisy ny trangan-javatra hafahafa. Nandramana nanaovana kolikoly i Fernand Cello, ka rehefa tsy nandaitra izany dia niova indray ny paikady. Nampiasaina ho an’ny kandidà MAPAR ireo kara-pifidianana maro an’olona izay tsy nifidy, izay nisy tazana teo an-tokontany, hanaovana halabato. Ahiana ho avy teo Bepeha izany ny fiparitahan’ny kara-pifidianana hanaovana hosoka teo anivon’ny fokontany maro izay tsy nisy délégué K25. Ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisan’anjara raha heverina noho filatsahan’ny orana kanefa nibontsina tampotampoka io taha io.

Nisy ny bileta tokana dimy tonga dia omena olona iray, misy ny tsy manana kara-panondra ary kara-pifidianana no entina mifidy, misy ny mitondra kara-panondro photocopie noir et blanc no entina mifidy. Izany rehetra izany dia tsy nezahin’ny CENI teny an-toerana nanaovana fitsirihana sy fanamarinana noho ny tsy “fisiam-bola amidy lasantsy”. Mifono firaisana tsikombakomba.

Eo anatrehan’ny fangalarana izao safidim-bahoaka eo Andohan’Ilakaka izao dia manao antso avo ireto mpomba ny K25 ny hanafoanana ny voka-pifidianana teo anivon’ireo fokontany izay nisian’ny hala-bato. Ary azo atao tsara izany amin’ny alalan’ny fampitahàna ireo nanao sonia sy ny isan’ny biletà tsy ara-dalàna nampiana tao anaty urne. Na misy sonia maro mitovy na banga tsy misy sonia eo amin’ny toerana hanasiana azy.

Hametraka fitoriana amin’ny mpiandraikitra ny fifidianana eo amin’ny kaominina Andohan’Ilakaka ny mpomba ny K25 amin’ny hosoka sy halabato niseho teo an-toerana.