15:30 – Ny Valosoa Vaovao – Taratasin’ny mpamaky

Tsaroako ny tenin’ny professor Zafy Albert mikasika an’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009 manao hoe “on dirait un gamin de 10 ans”. Toy ny zaza folo taona! Lasa izany ny sivy taona. Toy ny olona 19 taona indray izany izy izao raha izay fijery izay no iaingana. Efa manana karapanondro saingy toa tsy misy fiovàna ihany!

Ny tenako dia tsy nijery sy tsy nihaino ny resaka an-databatra nataon’ny candida roa tonta tamin’ny Alahady teo. Ny mba reko dia ny fanadihadiana nataon’ny mpanoa gazety Fidèle Razarapiera tao amin’ny AZ radio izay azo fehezina toy izao hoe: Andry Rajoelina dia tsy mahalala fomba – tsy mahay manaja ny zoky ka nofy azy izay miarahaba mialoah na dia zokiny lavitra aza Ravalomanana fa dia io no niarahaba azy – mora tezitra sy misafoaka – manapa-tenymazàna fa tsy manaja olona miteny.

Tsy haiko na marina izany na tsia fa izay nahita mivantana no afaka manamarina na handiso izany. Fa raha izany no tena marina dia aoka isika hifidy amin’ny alarobia no hisaina sy handanjalanja tsara. Izany ve no mendrika ho filoha?

Voalaza koa fa teny vary amin’anana no betsaka tamin’ny teny nampiasainy. Ny an’ny tena izany, be tsy hay – ny an’ny hafa koa, be no nanamarika fa be diso. Dia inona ihany izany?
Raha fehezina dia tsy ho tonga “raiamandreny” mihitsy i Andry Rajoelina fa dia hijanona ho zaza mandrakizay koa samia mandinika samia mieritreritra isika mpifidy.

Rapearce – Ambohimandray