Manifesto – Famerenana fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra

Zava-dehibe ny fifampitokisana raha tia handroso hoy ny Filoha Ravalomanana.

Ho atao ny ezaka rehetra hisian’ny fanjakana tan-dalàna. Tsy azo ekena ny fihoaram-pahefana sy ny tsimatimanota fa mpiasam-panjakana isika.

Hatao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly. Ary mila hamafisina ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Mba ho ara-drariny sy manaraka ny lalàna velona ny valim-pitsarana na iza na iza no voakasika.

Aza misalasala intsony. Andao hampiana ny Filoha Marc Ravalomanana hametraka an’ireo. Izaho sy ianao samy hifidy ny lahara 25.

#Manifesto
#Marina
#AlefaDada