EDITO 13 Desambra – Lany bala ny tarik’i Andry Rajoelina , ka fafy lainga sy ny fampiadiana ny samy Malagasy sisa ataony

Rajaonarimpanontsana

Endrika fitondrana Tetezamita faharoa indray no tadiavin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany haverina eto Madagasikara raha ny fahitana ireo olona manodidina sy milaza ho mpanohana azy. Tsy misy olom-baovao firy izy ireo fa olona efa niara-nihinana taminy nandritra ny fotoanan’ny Tetezamita ary Andriamatoa Norbert Lala Ratsirahonana no tena atidoha ao anatin’izany. Izay lalovan-drangahy io dia may volotratra avokoa. I Norbert Lala Ratsirahonana no anisan’ny nanampy nampiala ny filoha Didier Ratsiraka. Nandray anjara mavitrika ny tenany nanala ny amiraly ny taona 1991. Mbola tao ihany koa izy nandritra ny fanonganam-panjakana 2009 teo iny. Korotan-dava izay hidiran-drangahy io teto amin’ny tantaran’ny firenena. Ireo olona kely fisainana toa an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany no mora voajonony ary fantany tsara fa ireo no afaka hanatanteraka ny fanakorontanana kasainy hatao.

Ny tena zava-doza amin’izao fotoana izao dia tsy nilaza nivantana fa hanaiky ny voka-pifidianana havoakan’ny CENI sy ny HCC Rajoelina fa niolakola fotsiny teo. Ny filoha Marc Ravalomanana anefa tsy nihambahamba na dia iray segondra aza nanambara fa manaja sy manaiky izay havoakan’izy ireo. Ny tian-kambara sy isarihana ny saintsika mpamaky dia ny hoe, hamboly korontana indray Rajoelina rehefa tsy lany eo. Ho potika indray ny firenena. Ho betsaka indray ny very asa sy very trano fonenana ary dia hitombo isa ny 4 mi. Tafiditra ao anaty krizy mahery vaika indray i Madagasikara. Efa manangatra mampiady ny samy Malagasy mantsy izao Rajoelina sy ny forongony ka sahiny ankitsirano izao ny milaza fa manavakavaka ny filoha Ravalomanana izay marihana fa lainga foronina hampifanandrianina ny samy Malagasy. Izany dia azo enjehin’ny lalàna satria mitarika fampisaraham-bazana amin’ny samy Malagasy; ny fitsaram-bahoaka aza efa manahirana ka mbola taritina ho any amin’ny fankahalana eo amin’ny samy Malagasy iray tanindrazana indray. Aiza ho aiza amin’izany ny tompon’andraikitra tahaka ny CENI eo anatrehan’izany

Ankoatra an’i Andry Rajoelina dia ny Jeneraly Camille Vital aloha no mivoy mivantana manely izany fampisaraham-bazana izany ao anatin’ny fampielezan-keviny. Noporofoin’ny filoha Marc Ravalomanana sy Ramatoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nandritra ny fititezam-pokontany teny ambany tanàna sy tany amin’ny faritany anefa fa mbola mamim-bahoaka sy tia azy tanteraka ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka na avy aiza misy azy na inona firehana arahana, na inona finoany. Rain’ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo Dada Ravalomanana fa tsy araka ny feo aely etsy sy eroa. Lany bala ny tarik’i Andry Rajoelina, ka ny fafy lainga sy ny fampiadiana ny samy Malagasy sisa no entiny miady.

Vakina fotsiny tahaka ny karatr’i Naivo ny tsy fahaizan-dRajoelina farany teo tao amin’ny TVM, niandry izay toro-marika avy any amin’ny mpanolo-tsainy vilam-bava ka hany ka fanenjehana an-dRavalomanana rano fotsiny no nivoaka tao, fa tsy misy azo raisina ilay nofinofy angidina amin’ny vina tanterahany. Hoavy indray ny andiany faharoa, fihaonan’izy mianaka ao amin’ny TVM sy RNM mivantana ny Alahady izao, ka inoana fa tsy hisy hambara ingahirainy kely, tsy hisy fiovana mihitsy ny ho valiteniny hivoaka eo fa dia tsy maintsy fanaratsiana rano fotsiny. Zezika mampitombo ny fitiavan’ny vahoaka an’i Dada anefa izany.