Maro ireo mpanenjika an’i Dada taloha manohana azy manerana ny Nosy ankehitriny

Raniry any Mahajanga

Milaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena indray Raniry, mpanoratra sy mpanakanto any Mahajanga : raha bangoina hoy izy dia tsara amin’ny ankapobeny ny ezaka ataontsika tsirairay manerana ny Nosy amin’ny fampandaniana an’i Dada Marc RAVALOMANANA amin’ny fihodinana faharoa sady farany.

Tsapa ho samy nanao ezaka daholo isika na olon-sotra izany, na mpanao gazety, na mpanao pôlitika, na mpanakanto, na mpitondra fivavahana, na mpanentana, na mpitandro ny filaminana sns… amin’ny ambaratonga misy antsika tsirairay avy ; isam-paritra. Tena isaorana an’Andriamanitra Lehibe fa nihamaro ireo haino aman-jery miara-miasa amintsika, indrindra ny gazety sy ny fahita lavitra. Isaorana manokana ihany koa ny mpitantana azy ireny sy ireo olona rehetra miara-misalahy amin’ny fampandehanana izany haino aman-jery izany. Taloha mantsy, tamin’ny fihodinana voalohany, dia zary toa nihaino lakolosy tokana ihany ny vahoaka ; ka ireo mpifanandrina tamintsika no nibahan-toerana.

Tsy naheno afa-tsy fanaratsiana sy fanosoram-potaka an’i Dada Marc RAVALOMANANA ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, indrindra ireo any ambanivohitra. Ankehitriny, efa manomboka mandre ny vaovao marina sy ny zava-misy tena izy ny olona fa tsy voafahan-dalitra firy intsony. Eny, mbola miezaka manaratsy sy manoso-potaka ihany ny haino aman-jery maro izay miara-dia amin’ny mpifanandrina amintsika saingy efa misy ireo haino aman-jery hafa izay mivoy ny fanohanana an’i Dada Marc RAVALOMANANA dia zary tsy tompon-trano mihono intsony ny olona. Atỳ Mahajanga izao ohatra dia efa tena miasa mafy mihitsy ny RTN na “Radio Télé-Nakay”, eo ihany koa ny DREAM’IN, ankoatran’ny MBS izay efa tena mandeha tsara amin’izao fotoana izao. Isan’ny tombony ananantsika tamin’ity fihodinana faharoa ity izany rehetra izany, eo koa moa ny fahamaroan’ireo mpanohana izay tena tsy mitsaha-mitombo andro aman’alina mihitsy. Ireo tratran’ny “fanatisme aveugle” sisa no voafatotra sy voageja ka tsy afa-miala any amin’ny ankilany fa ny ankamaroan’ny vahoaka dia efa hita taratra sahady fa vonona hampandany an’i Dada Marc RAVALOMANANA amin’ny fihodinana faharoa.

Ny tena nahagaga sy nahatalanjona tanteraka dia ny fahitana ireo olona nankahala sy nanenjika mafy an’i Dada taloha, lasa miara-dia amintsika ankehitriny. Tsy voatanisa izy ireo fa tena maro tokoa manerana ny Nosy.