Vokatra: Izay nafafy ihany no ho jinjaina

Andry Tsiavalona

Nanomboka ny talata 4 Desambra 2018 ny fampielezan-kevitra ny fihodinana faharoa amin’ ny fifidianana filoham-pirenena. Samy nanomboka izany ireo kandidà roa: ny laharana faha-25, Ravalomanana Marc sy ny laharana faha-13, Rajoelina Andry Nirina. Ny voalohany nanao fotoam-pivavahana tao amin’ny Foiben’ny K25, Bel Air, ny faharoa nanatrika Sorona Masina tany Afovoany Andrefana tany.

Toa milaza izany fa samy mametraka izao fampielezan-kevitra sy fifidianana izao amin’Andriamanitra izy mirahalahy mianaka ireo. Ny maha samy hafa azy ireo anefa dia ny iray nampiasa vola be tsy toko tsy forohana vao tafita amin’izao fihodinana faharoa izao. Ny mpino rehetra anefa dia mahafantatra fa “ny vola no fototry ny ratsy rehetra”, ka noporofoin’ny fihetsik’ireo mpomba an-dRajoelina Andry Nirina nandritra ny fanisam-bato tany amin’ny birao fandatsaham-bato sasany tamin’ny fihodinana voalohany izany. Mazava ho azy fa voakarama ireny be sandry ireny ka nampihorohoro ny tany amin’ireny birao fandatsaham-bato ireny. Tsapa avy amin’izany fa mbola mitohy ny fomba ratsy nampiasaina tamin’ny taona 2009. Raha ampahatsiahivina ny zava-nitranga nanomboka ny taona 2009 dia ho fampieritreretana ny Malagasy tia fivoarana sy tia filaminana ary indrindra tia Tanidrazana, ka handray andraikitra handeha hifidy ary handatsa-bato ho an’ny kandidà hita porofo sy fatam-poko, fatam-pirenena fa tena nampandroso marina an’ i Madagasikara.

Ny iray tamin’ireo kandidà ireo, Rajoelina Andry, dia tomponandraikitra voalohany, ary tsy afa-miala amin’izany, tamin’ny Alatsinainy mainty, ny 26 Janoary 2009 satria izy no nanome tsodrano ireo mpiaradia taminy tamin’ny fandoroana ny Fampielezampeom-pirenena eo Anosy izay narodana tanteraka ankehitriny sy ny MBS eny Anosipatrana sy manerana ny Nosy ary ny fandorana sy fandrobana ny Magro sy ireo tranombarotra maro teny Ankorondrano. Ity kandidà ity ihany koa no nanome tsodrano an’i Monja Roindefo izay notendreny ho praiminisitra teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey, ny 7 Febroary 2009, nitarika ireo olona azo lazaina fa mbola nihevitra fa afaka namerina ny fandrobana ny 26 janoary ihany. Ity kandidà laharana faha-13 ity ihany koa no nikotrika ny fanonganam-panjakana ny 17 Martsa 2009 ary nanana fikasana nandatsaka ny ain’ny kandidà mpifaninana aminy amin’izao fihodinana faharoa izao mihitsy kanefa azo inoana fa tsy mbola izay no fandaharan ’Andriamanitra matoa tonga amin’izao ny toe-draharaha. Tsy vitan’izany fa rehefa lasa filohan’ny tetezamita ity kandidà ity dia namidiny 25 tapitrisa dolara ny Air Force One II, nangoniny ny vola 100 tapitrisa dolara tany amin’ny orinasa Ambatovy sy ny 100 tapitrisa dolara tany amin’ny Wisco mpitrandraka vy any Soalala. Tsy nisy narotsaka tao amin’ny Tahirim-bolam-pirenena (Trésor) ireo vola ireo fa dia notazonina tao amin’ny fiadidiana ny tetezamita ary ny tao no nampiasa azy tamin’izay nitiavany azy. Lany fongana ny roa arivo tapitrisa dolara tahirim-bola vahiny tao amin’ny Banky Foibe. Tsy mahagaga raha toa ka mpanefoefo ny kandidà Rajoelina Andry amin’izao fotoana izao ary manao fafikatrana ny vola tsy nisasarana. Dimy taona izy no nitondra, ataovy ny kaontin’ireo vola nofikiriny voalaza etsy ambony ireo. Raha mbola homena dimy taona indray izy dia ho avo roa heny ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, ho ao anatin’izany ireo mbola hifidy azy, ary ho avo dimy, folo heny indray ny harenan-dRajoelina Andry raha tafaverina eo amin’ny fitondrana indray izy. Matoa nisafidy ny hanohana ny kandidà laharana faha-13 ireo kandidà sasany, seza efa miandry raha lany ity ho tohanany.

Ho an’ny kandidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, kosa dia mazava ny programan’asany dia ny “Manifesto” izay hamafisin’ny MAP 2. Iaraha-mahalala ny zava-bita nandritra ny fito taona nitondran’ity kandidà ity: ny làlana 9 200 km vita tara, ny fitsaboana maimaimpoana ho an’ny rehetra, fampidirana an-tsekoly ny ankizy Malagasy sy ny fizaràna « kits scolaires » sy « tabliers » ho azy ireo, ny fampiroboroboana ny fambolem-bary, ny fitsinjaram-pahefana (décentralisation) sy ny fanapariaham-pahefana (déconcentration) tao amin’ny PN2D, nandry fahalemana ny tany teo amin’ny sehatra rehetra,… Ireo rehetra ireo no haverin’ny kandidà laharana faha-25, Ravalomanana Marc, eto amin’ny firenena indray.

Ny lasan’ny olona sy ny nataony teto amin’ny Firenena no hita ka hangalàna fepetra satria ny fampanantenana nataon-dRajoelina Andry 9 taona lasa izay dia bitika, kanefa tsy nisy tanteraka, raha oharina amin’ny zavatra hampilendalainy ny gasy amin’izao fotoana izao. Ny an’ny kandida Ravalomanana Marc kosa dia efa lasa lavitra ny Firenena raha nahavita ny fe-potoam-piasany hatramin’ny taona 2012 izy. Tsy ho fatinkanin-kely intsony ny Malagasy fa hahay hitsinjo ny ho avin’ny taranaka faramandimby.