14:00 > Fitaovam-piadina mahery vaika – Praiministra Ntsay baikon’i Rajoelina

Norefesin’i Pierre Houlder Ramaholimasy i Ntsay Christian

Teo imason’ny minisitra rehetra mihitsy no nampisehoany i Pierre Houlder izay minisitry ny asam-panjakana ny tsy fanajàny an’i Ntsay Christian Praiminisitra.

Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny Alarobia teo mantsy dia nanao fanakianana ny Filoham-panjakana Rivo Rakotovao mikasika ilay famelabelaran-kevitra ny fandriam-pahalemana teny amin’ny CCI Ivato ny 29 Novambra lasa teo nataon’i Kandida Andry Rajoelina.

Nandritra izany filan-kevitry ny Minisitra izany indrindra no nasehony i Christine Razanamahasoa sy Pierre Houlder izay samy minisitra MAPAR ny tsy fanajàny ny lehiben’izy ireo.

Toy izao ny zava-nisy:

Raha naheno ny fanakianan’i Rivo Rakotovao Filoham-panjakana ny Minisitra Christine Razanamahasoa dia niala avy hatrany ny toeram-pivoriana.
Niteny avy hatrany i Ntsay Christian: “Raha zaho ianao miverina aho”, naheno izay i Christine dia niverina nipetraka. Nitohy ihany ny fivoriana, tampoka teo dia nitsangana ary lasa nivoaka i Pierre Houlder, na dia nasainy i Ntsay Christian niverina nipetraka àry.
Nahatsiaro menatra teo imason’ireo minisitra rehetra i Ntsay Christian nanoloana izany fihetsika tsy nisy fanjàna izany.
Midika ihany koa izany fa tsy misy ilàna azy ity Praminisitra ity fa natao hanatanteraka ny baikon’i Andry Rajoelina fotsiny.

Manohitohina ny fiandrianam-pirenena ny fihetsika toy ireny satria dia olona avy any ivelany no nasaina niresaka mikasika ny fandriam-pahelamana sy ny fiarovana eto Madagasikara hoy ny Filoham-panjakana Rivo Rakotovao. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’i Andry Rajoelina nampiditra ireny fitaovam-piadiana mahery vaika naseho teny Ivato ireny? Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena moa dia efa nilaza fa ny tompon’andrikitra eo anivon’ny fiarovam-pirenena ihany no manafatra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ireny.