Ny Mazava no miady amin’ny Maizina – Ny Ratsy no minfanandrina amin’ny Tsara – Ny Naongana no miady amin’ny Mpanongana

Malagasy sy i Madagasikara – Tsy azo averina ho voasazy toy ny tamin’ny 2009, hoy Dada

Isambilo

Nanombohan’ny kandidà N°25 Marc Ravalomanana ny fampielezan-keviny omaly ny teny amin’ny tsenan’ny tantsaha teny Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo, vao maraina be dia efa nihaona tamin’ireo tantsaha sy mpivarotra teny an-toerana i Dada, porofo izany fa tsy ataony anjorom-bala ny vahoaka tantsaha maro an’isa. Avy eo izy dia lasa tany amin’ny faritra Mangoro sy Atsinanana: tany Moramanga, Brickaville, Toamasina,…

Mijery ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy rehetra i Dada, ary hitondra vahaolana ho azy ireo. Fa ankoatra izany, adihevitra ambony dia ambony avy hatrany no nanombohan’ny kandidà laharana faha-25 , Marc Ravalomanana, ny fanokafana ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa ny talata teo, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny K 25 tetsy Bel’Air Ampandrana.

« Ny maizina miady amin’ny mazava, ny mpanongana mifaninana amin’ny naongana ary ny ratsy miady amin’ny tsara no hifananindrina amin’ity fihodinana faharoa ity », hoy ny kandidà N°25 Marc Ravalomanana.

“Hobataintsika ny Fandresena” hoy izy, ary tsy maintsy manana finoana mahery isika, miasa ary manana fanantenana satria Jesoa Kristy no kapitenintsika. Kandidà vonona, sahy, ary efa ampy sedra Marc Ravalomanana, laharana faha-25 ka efa nandritra ny taona maro no niandry ary efa nivonona hiatrika ity fihodinana faharoa ity.

“Ity rahateo no fifidianana lehibe indrindra teto Madagasikara tao anatin’ny tantara : mpitondra manana traikefa, mahatsapa ny fahantran’ny malagasy, mahalala ny fampivondronana ny hery hanalana ny tsy fandriampahalemana ary mametraka ny fitsinjaram-pahafena tena izy notadiavin’ny vahoaka izao”, hoy ihany izy. Ary i Dada laharana faha-25 no mahafeno ireo fepetra ireo.

Mpitondra afaka mampanjaka ny fahandriampahalemana, sahy miady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny asan-dahalo ary mamerina ny fitsarana itokisan’ny vahoaka no ilaina. Ny kandida laharana faha-25 no hany afaka mamerina izany.

Nanambara koa izy tamin’izany fa “Kandidà sahy mametraka drafi-pampandrosoana miainga avy any ifotony araka ny fitsipika demokratika ka tsy maintsy hampitovy lenta ny faritra rehetra satria tsy manavakavaka ny kandida Dada Ravalomanana eo amin’ny lafiny fampandrosoana”.

Misy ny milaza fa manavakavaka izy saingy novakiany bantsilana fa tsy marina izany satria nanao ny lalana tany amin’ny faritra izy, nampahazava ny faritra izy, nampifandray ny faritra izy tamin’ny alalan’ny lalana sy ny fampidiran-drano, ny tobim-pahasalamana ary ny sekoly ho an’ny zanaka Malagasy tsy ankanavaka.

Mila olona mahay mitarika ity Firenena ity fa tsy mpikosoka kapila mangirana mampanantena tanàn-dehibe naorina am-polo taonany maro toa an’i Miami, New York sy Parisy, izay ho tonga nofy sy fampiesonana ho an’ny vahoaka Malagasy efa sahirana.

“Vonona amin’ny fampihavanam-pirenena rahateo ny tenako”, hoy Marc Ravalomanana ary porofon’izany ny tsy maintsy hametrahana amin’ny tena izy ny fitsinjaram-pahahefana antoky ny demokrasia hany antoka hisian’ny fampivondronana ny samymalagasy.

Hampitoboina 20% ny isan’ny polisy mba hiverenan’ny fitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana, tahaka izany koa ny Fitsarana, mba ho fitsarana marina tsy mitanila na miandany.

Hojerena manokana koa ny vehivavy sy ny tanora ka hisy famoronana asa ho azy ireo.
Tsy hadino ny fitokisan’ny mpiombon’antoka iraisam-pirenena sy iraisam-paritra satria talentan’ny kandida Marc Ravalomanana ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra amin’izy ireo.

Miantso ny Malagasy tsivakivolo ny kandida Marc Ravalomanana hiara-kiasa, handresy lahatra ny nisalasala, ireo tsy nifidy nefa manan-karatra ary hanara-maso akaiky ny latsa-bato sy ny vokatra mba tsy ahodin’ny mpangoron-karena tao anatin’ny dimy taona kanefa tsy voamarina izay niavian’ny harena teo an-tanany, fa ny fanodinana ny harem-pirenena no notatavaniny, izany hoe, ny haren’ny Malagasy , ny haren’i Madagasikara no nogiazany ka tiany mbola hanandevozany anao mpifidy.

Mazava ny adintsika hoy Dada Ravalomanana :“ny mazava no miady amin’ny maizina, ny ratsy no mifanandrina amin’ny tsara ary ny naongana no miady amin’ny mpanongana.

Mbola hanaiky ny fahoriana sy ny fahantrana ve isika?”. Tsy haverina ho voasazy toy ny tamin’ny taona 2009 indray ny Malagasy sy i Madagasikara, hoy ny kandidà N°25.

Mazava ny safidy: Marc Ravalomanana, laharana faha 25. Izy irery ihany no afaka sy efa voatondro hanarina ny noravaina ka hahitan’ny Malagasy indray ny anjara masoandrony.