10:30 > Lah.-25: Fanapariham-pahefana – Lah.13: Fanaparam-pahefana

Publiée par Ny Valosoa Vaovao sur Jeudi 6 décembre 2018

Ambatondrazaka: nosarahan’i Andry Rajoelina ny lalao baolina kitra.

Hatezerana, hasosorana ny an’ireo mpankafy baolina kitra tao amin’ny faritra Alaotra, mahatsiaro tena nambaniana ny mpilalao baolina kitra any Andriamena manoloana izao barofo ataon’i Andry Rajoelina izao.

Lalao anisany tena niandrasany Ambatondrazaka fatratra ity lalao ity izay nataotao amin’ny kainja Rasolonjatovo. Tsy tontosa hatramin’ny farany anefa izany noho ny fidiran’ny helikoptera amboletra teo amin’ny kianja filalaovana.

Raha ny vaovao ihany dia tsy afaka nipetraka tao amin’ny Espace Laza ireo Helikoptera telo nanara-dia an’i Andry Rajoelina, niantsona tao amin’ny tanimbary ny iray ary tsy naharitra teo dia lasa nifindra teo amin’ity kianja ity.

Tezitra arak’izany ireo mpanao baolina niandry ny sitrapon’i Andry Rajoelina. Atao ahoana moa izy ireo ihany fa ireny ny mieritreritra ny hitondran’ity firenena ity!