Marc Ravalomana – Resiny ny fahantrana kanefa nitombo indray

Tranga misy marina: nandresy ny fahantrana teto Madagasikara ny Filoha Marc Ravalomanana, kanefa nitombo indray izany fahantrana izany nandritra ireo fitondrana nifandimby taoriany.

Malagasy an-tapitrisany no afaka tao anatin’ny fahantrana nandritra ny fitondrako ny taona 2002-2009. Nisondrotra ny toe-karena Malagasy ary namorona asa ho an’ny maro an’isa aho.

Niverina nanjaka kanefa ny fahantrana taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, ary ankehitriny, 92% amin’ny vahoaka Malagasy no miaina anaty fahantrana lalina, izany hoe mivelona amin’ny vola latsakin’ny 6.800 Ariary isan’andro.
(Source: Banky Iraisam-pirenena)

Marc Ravalomanana

Manasa anao hizara ity hafatra ity raha toa ka miombon-kevitra amiko ianao!

#ReseoNyFahantrana
#ZavaMisyMarinaIsanAndro
#AlefaDada
#MarcRavalomanana