Nisafidy ny hanohana ny kandida laharana faha-25 ny praiminisitra teo aloha sady kandida tamin’ny fifidianana teo andriamatoa Mahafaly Solonandrasana Olivier. Nilaza ity farany fa tsy mitady tombotsoa manokana amin’izao fanohanany an’i andriamatoa Ravalomanana Marc izao.
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Be izay lalana vitan’i Dada Ravalo sy Neny Lalao izay, ary mirary dia mirary tokoa ho mbola be ny sisa ho avy. ... TohinyFintinina

Isaorana ny Tompo nitahy sy nitantana anao. Fa izy no anton'izao.
Miarahaba anao ny malagasy ary misaotra sy mankatelina tamin'ny asa goavana nataonao ho an'ity Firenena ity.
Mankasitraka e !💙💜💛💚❤
Ka ny Tompo anie mbola hitantana sy hivimbina anao sy ny ankohonanao hatrany! Mbola hahavita ianao !
Homba anao ny Tompo!
7 ora lasa
- Likes: 288
- Shares: 0
- Comments: 4
Bonne anniversaire Dada tahiny Tompo hatrany enao sy ny ankohananao
HBD Dada
HBD DADA
Hbd to you dada
Arahabaina ny Filoha Marc Ravalomanana – Happy Birthday – Joyeux Anniversaire
12/12/2019
Arahabaina tratry ny tsingerintaona nahaterahana ianao ry filoha Marc Ravalomanana.
Andriamanitra Tompo hitahy anao sy ny ankohonanao mandrakariva, ary hitantana anao sy ny mpiara-dia aminao rehetra manerana an’i Madagasikara sy any an-dilambato, amin’izao tolona masina izao.
www.gvalosoa.net/2019/12/12/arahabaina-ny-filoha-marc-ravalomanana-happy-birthday-joyeux-annivers... ... TohinyFintinina
8 ora lasa
Arabaina Dada Ravalomanana ♥️♥️ Mirary soa ho anao sy ny ankohonanay 🎂🎂🎂🎂
Joyeux anniversaire mon Président! Mirary soa sy fahasalamana ho anao hatrany
Arabaina Dada Ravalomanana ♥️♥️🎂🎂🙏🙏
Encore HBD Dada a, thT plein de bonheur
Arabaina d ho lava velona atran ane sy ho tahian'Atra!
Bonne anniversaire Dada tahiny Tompo hatrany enao sy ny ankohananao
Ho ela velona rangà Dada tinay an ...😍😘😍
Hbd hombanao NY Tompo e
Arabaina @ izao tsingerintaona nahaterahanao izao de ny tompo anie hanome hery sy tanjaka ary fahasalamana ho anao dia ho tratry ny taona manaraka indray inao
Dada tianay foana
Dada foana enao
TENA DADABENOELY
Tena dadabenoely no ilaina eto an-tanàna,
Hitondra aina sy hafanana, hitondra rano sy hazavana,
Fa tsy dadabejoely havanana amin’ny fandihizana,
Ka hampiala voly fotsiny sy hanalanala vizana!
Tena dadabenoely no ilaina ankehitriny.
(Ho eo akaikin’ny vahoaka fa izany no iriny!)
Dadabenoely hendry ka hanohana azy foana,
Fa tsy dadabejoely mievo-dava, misavoana!
Tena dadabenoely no ilain’ireo ankizy,
Hizara mamy hatrany hatrany f’efa lava ny krizy.
Tena dadabenoely fa tsy dadabejoely.
Tsy handainga, hampanonofy, fa hivimbina tantely!
Tena dadabenoely no ilain’ireo vahoaka
‘Zay matory am-pitsanganana sy efa reraka manoaka!
Tena dadabenoely tia miantra sy mivavaka,
Fa tsy dadabejoely mbola hitondra ho any an-davaka!
Tena dadabenoely no ilain’ny firenena.
(Ilay milofo tsy mijanona, manana fandavantena,)
Fa tsy dadabejoely “vonjivonjy tavan’andro”,
Mody hoe hizara mamy nefa mifanahim-bandro!
SEDERA RAVALISON (11-12-19)
www.gvalosoa.net/2019/12/12/tena-dadabenoely/ ... TohinyFintinina
9 ora lasa
MILA DADABENOELY
Asa raha ho avy ihany izany hoe krismasy,
F’efa reraka tanteraka ny vahoaka malagasy.
Mila dadabenoely mba hanova indray ny fiainany,
F’efa tena tsisy mihaino ny toloko sy tarainany!
Asa raha ho avy ihany izany hoe krismasy,
F‘efa haizina tanteraka no iainana eto an-dasy!
Mila dadabenoely hitondra rano sy hazavana,
Fa mangentana sy maina, maizim-pito ny tanàna!
Valalanina ny saina, tena reraka, torovana,
Fa ny jiro manazava sy ny rano izay hidiovana,
Mihasarotra isan’andro sady tena manahirana,
Toy ny efa manambara fa tsy misy ny mangirana!
Jiolahy no indreo mitondra sy manao izay tiany hatao.
Milaza hoe “nandia fianarana” saingy tsisy kalitao.
“Tsy marina sy tsy madio” ka tena tsy azon’iza ekena
F’efa poizina manimba sy mamono firenena!
SEDERA RAVALISON (11-12-19)
www.gvalosoa.net/2019/12/12/mila-dadabenoely/ ... TohinyFintinina
9 ora lasa
Mankasitraka.Fanambarana iombonana avy amin'i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina ... TohinyFintinina
19 ora lasa
Tongava maro hitaky ny fahamarinana! ... TohinyFintinina

24 ora lasa
Fihaonan-dRavalo sy Rajao – Mivarahontsana tanteraka ny mpomba an-dRajoelina
Helisoa
Nihaona tany Frantsa ireo Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy lasa teo. Tao anatin’izany, tsy nisy ny fanambarana nataon’ny roa tonta, fa tombanan’ny maro ho mikasika ny raharaham-pirenena no laha-dinika tao ary ny fifidianana kaominaly farany teo.
Ny antoko HVM izay nanao fanambarana andro vitsy lasa miantso ny malagasy hijoro hiaro ny fahamarinana manoloana ny olana tamin’ireo fifidianana nisesy. Etsy andaniny ny antoko TIM ihany koa ny sabotsy teo, namory vahoaka tao amin’ny foiben-toerany tetsy Bel’Air, izay manohitra ny hosoka sy ny fandikan-dalàna maro niseho tamin’iny fifidianana iny. Ao anatin’izany ihany koa dia tombanana fa tsy maintsy niresaka ny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny izy mirahalahy.
Tena ao anaty fahantrana sy fahasahiranana lalina mantsy ny vahoaka Malagasy ankehitriny raha nanantena fa hisy fiovàna eto amin’ny firenena raha ny fampanantenana nataon’ny mpitondra ankehitriny. Nampanantena ny mpitondra fa tsy haka ny tanin’ny tantsaha na iray dia aza, nefa alaina ny tany eny Ambohitrimanjaka. Ny fandriampahalemana nanaovana fampisehoan-kery hatramin’izao tsy misy vokany.
Rariny loatra ireto ray amandreny efa nitondra teto amin’ny firenena ireto raha nihaona sy niresaka satria ilain’ny vahoaka Malagasy izany mba hampisy fanantenana indray. Mahana ny ratsy nataony Rajoelina sy ny forongony satria misy fiteny Malagasy izay, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, nanongam-panjakana Rajoelina sy ny forongony, ny dikany tsy maintsy mbola haongana na hiongana ho azy koa!
(Sary nindramina)
www.gvalosoa.net/2019/12/10/fihaonan-dravalo-sy-rajao-mivarahontsana-tanteraka-ny-mpomba-an-drajo... ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Rehefa ratsy ny atao tsy misy afa-tsy izay, indrindra raha herimbahoaka ve hosetraina e. Mpanompo vahoaka ny mpitondra fa tsy natao ho mpampahory sy mpamita-bahoaka ary indrindra koa moa fa hoe mpamadika ny tanindrazana.
Za Sad Ts Ts Momba Niza2 Fa Isaky Ny Mis Olon Mketrik Krizy Eto Am Firenen Atramzay D Tsik Vahoak Foan N Ifoteranzan Av Eo Satri Mati2 Atao Sorona.Miakatra N Vidimpiainana.Mifandraf Ny Sam Malagas Nef Rhf Av Eo Mahay Mfanarak Hoazy Ian Zareo Lehibe Mb Tongav Saina Amzay Ts Ef Ampy V Ny Rà Nalatsaky Ny Malagasy Atramzay??TENY HATSIP HOAN'NY MANAM-PANAHY
ITSIKA SAHONQ NO NIFIDY PANJAKA KA NY BIBILAVA NO FIDITSIKA, ZAO
Shiiiiiii, ra hendry afao @ fahantran sy ny trosa ny gasy na Ravalo, na Hery na Rajoel
Mihongana ho azy io fa tsy mjla ahongana ! Toy ny lehilahy adala anie io eee, nanorona ny fitondrany teo ambony fasika (ambony alatra sy alahelom bahoaka ) karehefa ho avy ny patsa iray tsy omby vava de zay no nataony!
Filoham mpirenana mampifandray ny malagasy satria nahavita fanamboaran- dalana maro
EDITO 10 Desambra – Raharaha Ambohitrimanjaka – Manao izay hanampempoana ny vahoaka sisa ny fitondrana
Sôh’son
Miverimberina matetika ao amin’ny fahitalavi-panjakana Tvm ilay fandaharana manokana nataon’ny filohan’ny Repoblika niarahany tamin’ny mpanao gazety metimety aminy, niresahany momba ny tetikasa Tana-masoandro. Ny fiverimberenan’izany nisarika ny sain’ny mpandinika, fa misy antony izany.
Ny voalohany amin’izany, dia sahirana Rajoeliana mandresy lahatra ny vahoaka, ka ny atao dia miezaka ny hanao izay hanasana ati-doha azy ireo. Tsy afa-misaraka amin’izany ny famelezana am-bava ireo mpanohitra azy na ireo vahoaka eny Ambohitrimanjaka, sy ny kaomina manodidina na ireo mpanohitra tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana ny amin’ny hanatanterahana io tetikasa io, eny amin’iny faritr’i Betsimitatatra iny. Efa nambara teto amin’ny gazety fa tsy mitovy ny “context”, ka tsy mety ny hampitahana ny tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana sy ny ankehitriny. Karazany fanaovana hitsin-dalana fotsiny izao, tsy amim-piheverana ny hoe rehefa nanao fanotofana ny tany tamin’izany fotoana taloha izany dia mbola mety koa amin’izao fotoana izao. Hadisoan-kevitra izany ary fomba fiasa tsy amim-pahendrena, matoa misy vahoaka manohitra, nisy mihitsy aza ny namoy ny ainy. Fa tena fanapahan-kevitra amim-pahendrena tanteraka ary tokony hatao mihitsy izay rehefa tsy misy vahoaka manohitra eo. Tsy adala akory ny vahoaka tsy hahalala izay hahasoa azy sy ny firenena, fa matoa toheriny misy tsy mety ao ary tsy mety mihitsy.
Ny fahitan’ny fitondrana izay fihetsiky ny vahoaka izay no mahatonga izao famerimberenana fandaharana any amin’ny fahitalavi-panjakana izao, mba ho entina hanampempoana azy ireo. Ezahina hitombo isa araka izay ao anatin’izany ireo olona marivo salosana rehetra.
Midika ho tsy fahaizana mitondra firenena ihany izany, fa ny tena izy dia ny fifanatonana sy fifampidinihana lalina amin’ny vahoaka voakasika ary misy fehin-kevitra iombonan’ny rehetra ary ankatoavin’ny rehetra no mivoaka avy eo. Mety ho haingana tsy araka ny fe-potoana nofaritana indray aza ny tetikasa amin’izany fotoana izay, satria na ny vahoaka aza mety hanome tanana. Ny fanaovana amboletra fotsiny izao ny tetikasa dia tsy hitera-bokatsoa velively, na ho an’ny fitondrana, na ho an’ny vahoaka sy ny firenena.
www.gvalosoa.net/2019/12/10/edito-10-desambra-raharaha-ambohitrimanjaka-manao-izay-hanampempoana-... ... TohinyFintinina

gvalosoa.net
Sôh'son Miverimberina matetika ao amin'ny fahitalavi-panjakana Tvm ilay fandaharana manokana nataon'ny filohan'ny Repoblika niarahany tamin'ny mpanao gazety metimety aminy, niresahany momba ny tetikasa Tana-masoandro. Ny fiverimberenan'izany nisarika ny sain'ny mpandinika, fa misy antony izany. Ny ...2 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 10 Desambra 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Firaisankina no hery.Fanambarana naton’ny HVM France, TIM France, MONDE JUSTICE, GTT, GTT Inter, K2-France, Rtoa Fanirisoa Ernaivo tamin’ny 04 Desambra 2019 ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Météo Madagascar
[VAOVAO TSELATRA MIKASIKA ILAY ANDRO RATSY BELNA ANIO TALATA 10 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 04 ORA HARIVA]
✅Tombanana ho levona an-tanety any Atsimo Andrefana na Ihorombe ilay andro ratsy BELNA rahampitso Alarobia 11 Desambra 2019.
Mirary soa antsika rehetra :) ... TohinyFintinina
2 andro lasa
[FILAZANA MANOKANA MOMBA NY ANDRO RATSY BELNA NY 10 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 12 ORA ATOANDRO]
✅Andalam-pandaozana ny Kaominina Antsalova ka hiditra ao amin’ny Kaominina Trangahy, Distrikan’Antsalova ny ivon’ilay andro ratsy BELNA.
✅Nihena hatrany ny heriny ka 46 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 65 Km/ora ao anatin’ny 40 Km manodidina ny ivony. Mikisaka mianatsimo izy ka mahafaka 13 Km/ora.
✅Araka ny vinavina dia tsy feno intsony ny fepetra mikasika ny filazana miloko mena ho an’ny faritra voakasik’izany. Etsy
andanin'izany anefa dia mbola hitohy ny orana any MELAKY sy MENABE ary tombanana ho betsaka izany.
Tsy misy fiovana ny filazana loza :
📘 Miloko Manga (Mila mailo hatrany) : BOENY, MELAKY, MENABE, Kandreho, Maevantanana;
🌧🌧 Filazana miloko mena mikasika ny habetsahan'ny rotsakorana ho an’ny MELAKY sy MENABE.
Foana ny Filazana loza voarain’ny faritra BONGOLAVA.
✅Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Morondava dia entanina tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny Loza.
📘 [FILAZANA MILOKO MANGA /FILAZANA FAHAMAILONA] (Efa lasa ny rivodoza)
➡️Malina hatrany.
➡️Manaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro.
➡️Tandremana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny rano.
➡️Mitandrina amin’ny rano miandrona mety hiteraka aretina.
➡️Mailo amin’ny tariby mitondra herinaratra izay tapaka eny an-dalambe .
➡️Mifanampy amin’ny famerenana ny simba isika.
➡️Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo
✅Manentana antsika hatrany mba hizara ny vaovao ary raha misy sary nandritra ny fandalovan'i Belna any amintsika dia mba zarao ao amin'ny commentaire mba ho hitan'ny rehetra😗🤓!
Ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie de Madagascar ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Omeo ny fahamarinana ry CENI a! ... TohinyFintinina

2 andro lasa
Mankasitraka. ... TohinyFintinina

2 andro lasa
Tairo mintsy fa raha izao no mitoy ngeh lasa azo atao ny mangalatra,mamono olona sy ny sisa tsy voatanisa!! Alefa RMDM ah!
Miomby kevitra @nio koa izahay vahoaka aty Nosy-be, satria i CENI mihitsy no nangalatra mba nahafany nampandany ny Candidatn'ny IRK.
Raha maniry ny hisy lanjany eo imason'izao tontolo izao isika ary raha tsy tian-tsika ny hahalasa areti-mifindra ny gaboraraka sy ny fanaovana ankeriny dia mila haverina @ fomba fitantanana matotra sy manara-dalana io fifidianana ben'ny tanana io.
RMDM,tsara marihina fa pandova ny MDRM reo
Efa hita fa tsy aradalana dia jerena fotsiny ve ,asio action
Ity ny vokatry ny fangalaram-bato nataon’ny CENI teto andrenivohitra. Tsy menatra!Fifidianana kaominaly teto andrenivohitra.
Raha ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI dia mitarika amin'ny 81 651 ny kandida Naina Andriantsitohaina. Mitana ny laharana faharoa, 75 425 kosa Rina Randriamasinoro. Elanelana 6 226 no manasaraka ny roa tonta,araka ny tatitra mbola tsy ofisialy. ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Zaza tsy ampy taona nifidy (tohiny). Ahoana izao ry CENI a? Mbola ekena ihany ve iny fifidianana iny? ... TohinyFintinina

Député Marie Goulamaly.
Mba ho fanamafisana ny efa voalazanay teto, dia ireto misy porofo vitsivitsy aseho antsika vahoaka Malagasy, aminy mahakasika ireo akizy tsy ampy taona nasaina nifidy, ary voasoratra ao anaty lisimpifidianana.
Efa any aminy fitsarana misahana ny fifidianana ny fitoriana, sy ireo izay tokony handehanan'izany.
Koa noho izany dia, aza jerena hoe raharahan'ny Distrikan'ny Tsihombe irery izao zavatra mitranga izao, fa tokony ho rahar...
2 andro lasa
Aparitao fa ts itany ry fanatik zao eee
Very tsika eeee
Zao v tsy lazaindry tavany fa Azo raisina fa tsy mitombina ndr1! !!!!
ZAO ZANY LE AZO RAISINA INDRISY RY TANIKO...FENO LOKO SY HOSOKA ..MANJAKA NY FAHALOVANA
Fanimbana ankizy... - Tsy omena fampianarana - Sakafo - Vidina vola mba hanota
Zao zany ilay miketrika rah tian no ahazo seza.
Loza!!!😱😱😱😱
zao le fanjakana ird amin ponssiblebdol ze atao tsis non ponssible zany mitsy .
Mafy rehefa teh hahazo seza e
😱😢
Météo Madagascar
[VAOVAO TSELATRA MIKASIKA NY RIVODOZA BELNA ANIO 09 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 10 ORA ALINA]
✅Ao amin’ny Distrikan’i Besalampy no misy ny ivon’ilay rivodoza BELNA. Manasa anao hanaraka ny andinindininy an-tsary. ... TohinyFintinina
3 andro lasa
DINIKA ALAHADY 8 DESAMBRA 2019 – Paul Mpody – MCFIE – Avereno ny fifidianana
Avereno ny fifidianana mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny tanindrazantsika, mba tsy hilatsahan’i Madagasikara anaty lavaka indray. Fa alohan’ny ameranana ny fifidianana dia am boary aloha io CENI io, ravao aloha ilay olona ao anatiny ao. Amboary ny lalànan’ny CENI araka ny nazavaiko teo.
youtu.be/yFJgjZA7Zm8
www.gvalosoa.net/2019/12/09/dinika-alahady-8-desambra-2019/ ... TohinyFintinina

DINIKA ALAHADY 8 DESAMBRA 2019 – Paul Mpody – MCFIE – Avereno ny fifidianana | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Avereno ny fifidianana mba tsy hisian'ny korontana eto amin'ny tanindrazantsika, mba tsy hilatsahan'i Madagasikara anaty lavaka indray. Fa alohan'ny ameranana ny fifidianana dia am boary aloha io CENI io, ravao aloha ilay olona ao anatiny ao. Amboary ny lalànan'ny CENI araka ny nazavaiko teo.3 andro lasa
Mandraisa.position ianao président.aminireto ceni.ireto
Marina.izany.avereno.ceni.tena ratsy amizao
Ceni efa h@ fanonganampajakan io normal b! !!!!
Averina NY lisipifidianana...gadraina ny sefo fokontany tratra manao hosoka am lisitra
ceni tena voavidy vola
Gadrao ireo mpangala-bato
voakarama
ceni
QG Belera – 8/12/2019 – Rina Randriamasinoro – Fahamarinana omena
Isika mijoro fotsiny dia fitakiana fahamarinana. Aleo atambatra ny hery.
Misy ny fotoana andeferana, fa misy kosa ny fotoana tsy maintsy hitsanganana. Fahamarinana no angatahanay, dia fahamarinana omena.
Rehefa diso dia sahia miteny hoe diso. Zavatra tsotra no takiana, dia ny fahamarinana. Ary ao anaty io lisi-pifidianana io no ahitantsika an’izay. Aza lany andro mifamaly amin’ny télé fa avoahy fotsiny ny marina.
Ary rehefa tsy nanara-dalàna ianao dia tsy maintsy sazìna araka izay tsy nety. Fahamarinana no avoahy, ary tsarao araka ny lalàna izay tokony hitsaràna azy izay nanao ny tsy mety.
Ny anentanako antisika mponina Antananarivo Renivohitra dia ny hijoro, ny hijoro ho an’ny taranakao. Miankina amin’izao ny ho avin’ny firenena. Izy ity tsy raharahan’ny antoko TIM ka ampio izahay hitady ny fahamarina.
Efa nilaza aho fa raha izaho no anaovana zavatra hafahafa, izaho tsy hanaiky hatramin’ny farany.
Homba antsika Andriamanitra.
youtu.be/3rUYjvekoPg
www.gvalosoa.net/2019/12/09/qg-belera-8-12-2019-rina-randriamasinoro-fahamarinana-omena/ ... TohinyFintinina

QG Belera – 8/12/2019 – Rina Randriamasinoro – Fahamarinana omena | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Isika mijoro fotsiny dia fitakiana fahamarinana. Aleo atambatra ny hery. Misy ny fotoana andeferana, fa misy kosa ny fotoana tsy maintsy hitsanganana. Fahamarinana no angatahanay, dia fahamarinana omena. Rehefa diso dia sahia miteny hoe diso. Zavatra tsotra no takiana, dia ny fahamarinana. Ary ao an...3 andro lasa
« Misy ny fotoana andeferana , fa misy kosa ny fotoana tsy maintsy hitsanganana» Marina izany , ny olona tia ny fahamarinana sy miaina ao @ ny fahamarinana tsy matahotra ny mitaky ny fahamarinana
Marina. Hijoro Miaraka isika n ' inona na inona
Tsy fandikan-dalanana ny fitakiana ny fahamarinana
Météo Madagascar
VAOVAO TSELATRA MIKASIKA NY RIVODOZA BELNA ANIO 09 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 05 ora HARIVA]
✅Niditra an-tanety eo amin’ny Tendrony (Cap) Amparafaka, Distrikan’i Soalala ny ivon’ilay rivodoza BELNA tamin'ny 04 ora sy sasany hariva teo.
Araho an-tsary ny andinindininy mahakasika izany.
Ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie de Madagascar ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Olona tsy vanona mihitsy ireto ao @ « Serasera Mada » ireto an! Mpandainga. ... TohinyFintinina

Manoloana ny vaovao tsy marina naparitaky ny « Serasera Mada » tao amin’ny pejy Face Book omaly, mikasika ny fisiana varotra sy fampirantiana, na Braderie, tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Analakely dia manambara ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto anivon’ny CUA, fa tsy marina velively ny filazam-baovao navoakan’ny « Serasera Mada ».
Voalohany, hetsika ara-kolontsaina mitondra ny lohateny «Kitroo Eve...
3 andro lasa
Fanetriben'ny firenena ny mpanely tsaho sy ny forongony toa ireny, saingy misy mpiaro izireo dia mihoampefy sy manao azy tsy hotratry ny aloka.
Nga mo zany tsy henjehan' ny lalàna e?? Sa mbola hipetrak @ zao iany?
Avelao hivovo eo fa mandany fotoana @zany e!
Tranondainga ireo, tsy mahagaga
nareo ve tdy malala an bemolotra lavavava.
Tsitako ze amaliana azy tsy avelao any.... Ninoninona mitranga misy tsikeraina fona
lehe gazety hafa izay annn efa.....
Tsy azony ee
sambory de gadrao
Torio o
Mivoaka ihany ny fahaloton’ity fifidianana ity!🔴 Solombavambahoaka Marie Goulamaly (Tôlanaro) : #CENI - HOSOKA sy HALA-BATO : NOMENA KARAPANONDRO NY ZAZA ANJATONY MARO 10 TAONA H@ 14 TAONA ARY NASAINA NIFIDY.
👉 Betsaka ianareo vahoaka no miantso ny tenako, nefa tsy ary ho voavaliko avokoa, aminy mahakasika ny fifidianana izay vao natrehintsika teo.
Ny zavatra tsapa tokoa, dia toy ny fifidianana rehetra niseho, misy ny lesoka, misy ny tsy fanarahan-dalàna isankarazany, misy ny fividianana ireo délégué ny hafa, misy ireo listes électorales tsy tomombana, sns,,,,,
Fa ity lesoka iray ity no tena tsy azo leferina; ny fanomezana karampanondro zaza tsy ampy taona, 10, 11,12,13,14 taona, izay asaina mandatsa-bato, satria hono voasoratra ao anaty lisitrin'ny mpifidy, ary anjatony maro.
Aminy maha Solombavambahoakan'ny Madagasikara, voafidy eto aminy Distrikan'ny Tsihombe ny tenako, dia manambara ho ren-tany ho ren-danitra, fa fotoana izao ny hamongorana ireo " tambazotra " Izay mpanao sy nanantanteraka izany hosoka izany.
Atao hivoaka batsilana daholo izany rehetra izany, mba hahitana ny tena marina, satria tany tandalàna i Madagasikara.
Solombavambahoaka Marie Goulamaly-Tôlanaro ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Misaotra anao sahy namoaka izao zava-doza niseho tany aminareo izao. Tsy mora ny milaza ny marina amin’izao fitondrana jadona izao. Mankasitraka.
Mivoaka saingy nahoana no tara loatra izy vao nanapak' evitra
Sady efa vita ny ilany azy vao mody mibaradaka izy .tena tsss
Mino aho fa vonona hijoro vavolombelona ity député ity amin'ny fametrahana fitoriana
CENI – “Lalao” anaty maizina no atao eto!
Fitantanana fifidianana – Ratsy naoty eo imasom-bahoaka ny CENI
Sôh’son
Misy olona iray manary lamba sy miteniteny tsy mandeha amin’izay amin’ny laoniny eny an-dalambe iray. Ny olona rehetra mahita azy dia samy hilaza avokoa fa adala io. Izay olona sahy hilaza fa tsy adala io raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera hanamarina azy vao hiaiky izy, dia io olona io indray koa no ambaran’ny olona fa “tsy milamina”araka ny fitenenana ankehitriny. Efa hita fa adala izao ve dia mbola ilàna porofo avy amin’ny dokotera?
Toy izay koa no fahitana ny fihetsiky ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Efa niaraha-nahita izao fa tsy tomombana, misy fiovàny izay midika fa nokitihina ny lisi-pifidianana noho ireo afaka nifidy teo aloha na lasa tsy ao intsony ny anarany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina teo, na nihemotra ny laharana nisy azy, dia mbola itakiana porofo ihany. Tsy miaiky avy hatrany fa misy tsy mety, misy tsy tomombana ny asa niandraiketana. Ny heloka ibabohana, hono, mody hitsiny, fa ny rariny itompoana mody heloka.
Ny fahitana ny zava-nitranga sy ny fihetsiky ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni sy ireo hafa no nampihifikifika mafy ny vahoaka in-telo misesy izay farafahakeliny. Ary ny fiziriziriana ho manana ny marina sy ny tsy fiaikena ho nanao fahadisoana, fa misarangotra amin’ireo hafa toy ny eny amin’ny fokontany no mitarika hahato fo ny vahoaka.
Miara-mahita izao, fa mitontongana lozan-tany ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy, dia tsy mahatsiaro tena ho fototr’izany ny Ceni. Ny ataony indray aza manizingizina fa samy tompon’andraikitra avokoa hatramin’ny mpanao gazety, ary tsy miahotra ny miala bala sy manadio tena hatrany isak’izay fifidianana nitranga teto nosahaniny izay. Izay no fahitan’ny vahoaka azy hatreto. Tena tomponandraikitra marina ve ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni ireo? Raha tomponandraikitra marina dia tsy mijery ny hafa isarangotana fa mandray ho azy irery ny fahadisoana, ka manarina izany tsy hiverina intsony amin’ny hoavy.
Miainga avy amin’ny Ceni ny tolo-kevitra amin’ny datin’andro anaovana fifidianana. Matoa manome andro sy fotoana toy izany dia efa vonona tanteraka amin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka, ka tsy hanisy fahadisoana intsony izay efa nitranga teo aloha. Ho an’ny mpanabe na mpampianatra, raha mpianatra ny Ceni, dia tsy nisy na tsy ampy ny ezaka natao, na nihemotra ny eo amin’ny fanamarihana ataony, miaraka amin’ny naoty ratsy eo amin’ny bulletin-ny. Mety hiafara amin’ny mamerin-taona aza fa mpianatra tsy misy fivoarana, tsy mianatra lesona, izay no hisoratra ao. Mety hisy hatramin’ny fanalana,”remise à sa famille”, mihitsy aza na hamerin-taona kilasy, satria efa tia “doublon” rahateo. Ho an’ny vahoaka, eo amin’ity resaka fikarakarana fifidianana ity, dia ratsy ihany koa ny naoty omeny ny Ceni, ary tsy handoka azy velively. Ireo mpanao rebik’ondry minia mikimpy anoloan’ny tsy fahamarinana noho ny tombontsoan’ny tenany fa tsy ny firenena ihany angaha no hitehaka azy eo.
Mahavariana ny toe-tsain’ny Ceni miaro tena amin’ny fitenenana hoe “fanakorontanana”. Ny hafa mpitsikera na mpanakiana azy no lazaina mety hiketrika izany amin’io teny ambarany io. Izany anefa ilay tena toe-tsaina fitenenana matetika fanaon’ny mpanao politika maloto amin’ny tranga iray mafanafana, manao izay hanampenam-bava ny olom-pirenena mikatsaka ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena, kanefa mbola ampiasain’ny Ceni ihany. Izany hoe tsy hita mihitsy izany ilay finiavana mba hanao môdely, fa ny ratsy hafa namohehitra ihany no tahafina.
Raha tsorina sy faranana ny teny tsy ireo olona mpikambana sy ekipany rehetra mikirakira fifidianana ireo velively no môdely mahay ny asany. Mba niala sy afaka tamin’ny paipaikadin’ny ministeran’ny atitany taloha tamin’ny fisahanana ny fifidianana kanefa mbola toa tafidi-kizo amin’ity Ceni ity indray koa. Indroa mahita ny maizina izany ny vahoaka Malagasy mpifidy. Miaina izay hamaizinana izay izy matoa mihena ny taha-pahavitrihany mandeha mifidy. “Lalao” ao anaty maizina no atao eto!
www.gvalosoa.net/2019/12/09/ceni-lalao-anaty-maizina-no-atao-eto/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Dia ny sandan-tsika eo imason'izao tontolo izao koa no ratsy. Tsy ilay sanda tsara tarehy na bika na feo fa ilay sanda maha azo hitokisana azo iaraha miaina ary mafy orina @ javatra tsara sy mahasoa. Ny mpizaha tany tsy hirohatra aty hijery fako na haka aretina na mba ho hendahina na hijery ny efa misy any @. Ny mpandraharaha tsy te hakaty mba ho volosana na ho solokiana na ho endahina na hirevy na hamokatra tsy hisy hanjifa. Koa aoka mba samy hahatsapatena fa tsy kisendrasendra na lahatra io fahantrana io ka ndeha hiteny foana hoe alao handeha @ izao.
Iza ny CENI Madagasikara?
COMMISSAIRES ELECTORAUX ET MEMBRES DU BUREAU PERMAMENT
1.Hery RAKOTOMANANA Président de la CENI
2.Thierry RAKOTONARIVO Vice-Président
3.Hervé ANDRIAMANANTSOA Vice-Président
4.Olivier RAMAHADISON Vice-président
5.Ernest RAZAFINDRAIBE Rapporteur
6.Fano RAKOTONDRAZAKA Rapporteur
7.Fanomezantsoa RAKOTONIRINA Conseiller
8.Charles RANDRIAMANANA Conseiller
9.Maria RAHARINARIVONIRINA Conseiller
SECRÉTARIAT EXECUTIF DE LA DIRECTION DE LA CENI
1.Jean Victor RASOLONJATOVO Secrétaire Exécutif
2.Hanitra Liliane RAVAOHARINIRINA Secrétaire exécutif adjointe
3.Haja RATSIMBAZAFAFY Directeur des affaires administratives et financières
4.Juckely André BOTO Directeur des études, de la planification, du suivi évaluation et de la formation
5.Louis de Gonzague RAKOTONIRAINY Directeur de l’éducation électorale et de la communication
6.Abdon ANDRIANTSIFERANA Directeur des opérations électorales
7.Heriniaina RAKOTOVAO Directeur du système informatique
8.Robby MAHAVANY Directeur de la sécurité
9.Jean-de-Dieu RAVELOSON Directeur de cabinet du Président
CHEFS DE SERVICE DE LA CENI
1.Elie Johns VELOTONGA Chef de service
2.Safidy RANDRIAMIARIMANANA Chef de service
3.Bakoly RANDRIAMAMPIELY Chef de service
4.Catherine TOVOSON Chef du service
5.Jean-Yves RAKOTOMAMPIANINA Chef de service
6.Jemima RANDRIANARIMANANA Chef de service
7.Sariaka ANDRIATSIMIALA Chef du service
8.Augustin RAKOTOMANANA Chef de service
9.Mahefarison RAKOTONIARY Che de service
10.Ismaellia ANDRIAMBOLANIERY Chef du service
11.Zakarison RAKOTONDRAINIBE Chef du service
12.Andriamamitiana RAVOJAHARISON Chef de service
13.Tsiry RAMANGALAHY Chef de service
14.Manitra RALAY Chef de service
15.Christian ANDRIANJAFY Chef de service
16.Vanona RANAIVOASIMBOLA Chef du service
17.Viviane RABOBA Chef du service
18.Lanto RAZAFINDRAKOTO Chef du service
19.René RASOLOARIJAONA Chef du service
PROTOCOLE DE LA CENI
1.Carl RANAIVONIRINA Chef du Protocole
2.Stella RAZANAKOLONA Chef du Protocole adjointe
3.Mirana MAMIARISOA
4.Sidonie NIVOARILALA
5.Sabbat HENINKAJA
6.Noro Hariseheno RATSIFANDRIMANANA
7.Julia Viviane RAHARILALAO
8.Toky Manaja RAMANANTSOA
9.Soloarisoa OLINIAINA
10.Tsiky RANDRIAMANANTENA
11.Prisca RALAINOROTIANA
www.gvalosoa.net/2019/12/09/iza-ny-ceni-madagasikara/ ... TohinyFintinina
4 andro lasa
indray mi-pi maso no anisan' Jehovah Andriamanitra ny volon-dohanareo reo zay ibaby tsy ho ela ny valim-bavaky ny Vahoaka Malagasy - mihomana tsara dieny zao !
Ho tsarain'ny tantara ireo olona mpikambana amin'ny CENI ireo. Mbola hisy ny farany....
Mivavaka @ ireo lefitra ireo I Rakonarivo Thierry. Sa ve izy no tena mahay ny tokony hatao?
ETAT PUTCHISTE 2009 & MABOTO MIALAH EKY rajoelina
NY FIFIDIANANA NISESY TETO MADAGASIKARA
Efa masaka ny tetika fony tany am-panomanana,
Fa kendrena ny hampandresy ny maloto sy tsy marina.
‘Ndreo nampiasa ny talentany ny komitim-pifidianana,
Efa fantatra mialoha hoe iza moa ireo tiany hakarina.
Lisitra efa nofaranana, tsy azo ampiana sy analàna,
Dia nanaovany hevi-petsy , mbola sahiny namboarina.
Asa loatra na dia jamba ireo ilay hoe “mpahay lalàna”,
Na voatamby volabe ka notakonany ny marina!
Ireo nikasa ny hampitaha dia namoronany paikady
Fa hoe tsy azo tanterahina izany fikasana izany.
Manahirana ,hono, mantsy sady tena “saro-pady”.
(Toy ny te hiteny hoe: ”mangina fa ‘zay tianay ihany”!)
Izany raha vao fifidianana eto Madagasikara.
(Vola hatrany no manjaka, koa ataovy ny ampamoaka.)
‘Ndeha ravao ilay komity izay natao hikarakara,
Fa mamily sy manova ny safidinay vahoaka!
DADAN’i ZINA (08-12-19)
www.gvalosoa.net/2019/12/09/ny-fifidianana-nisesy-teto-madagasikara/ ... TohinyFintinina
4 andro lasa
💩👎🏻
🤮🤮🤮🤮
Tsara be misy hisainan'ze concerné zany ra misaina
Marina be
ireny izany ny satroka koa aiza no mba hahita ny lalan'ny fahamarinana?
Satrok ko re izao! 😂😂😂
Satroky ny tandapa ireny an
Manamboninahitra 👍👍🐒🐵🐺🐶🦍🐷
Marina loatra zany
Ahy ny famaliana hoy Jehovah Andriamanitra mivavaka Isika
Fa rehefa le any @ mandrakizay tsy nareo tsony ny CENI any an.
Ny fiavam-bola no fototra ny ratsy rehetra
Mendrika kosa kooooo
Masosotay b
Hafa kely ko zan satroka nzareo zan an. Olivier Herizo Andrianarisoa
Aleoko ary le satroka
Tsara bonnet kosa zalah koh.kkkk
RMDM – Miverimberina ny fanitsahana lalam-panorenana ataon’ny fitondrana Rajoelina
Nangonin’Isambilo
Manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, indrindra tao aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina lasa teo, ka maha be resaka ny rehetra hatramin’izao, misy ny fanambarana avy amin’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara: ny RMDM dia,
Mampahatsiahy ny fehin-kevitra fototra momba ny demokrasia, izay hita ihany koa ao amin’ny Lalampanorenana ao amin’ny Andininy Faha 5 : « Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefàna rehetra no masi-mandidy, ka mampiasa izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ».
Manamafy ny fankatoavany ny demokrasia, ny fahaiza-mitantana, ary ny fanajana ny tany tan-dalàna izay antoky ny maha marin-toerana ny fitondrana sy ny fampandrosoana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena eto Madagasikara.
Maneho ny ahiahiny manoloana ny fitontongan’ny toe-draharaha amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika, singanina manokana amin’izany ny fitombon’ny fahantran’ny Vahoaka Malagasy, sy ny tsy fahafahan’ny fanjakana manatanteraka ny zavatra tena ilain’ny mponina amin’ny famatsiana rano fisotro madio, herinaratra, ary amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana.
Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidiana nifanesy, an’isan’izany ny fifidianana monisipaly natao tamin’ny 27 novambra 2019, mahatsapa ary velona ahiahy nohon’ny tsy fisian’ny fanjakana tan-dalàna eto
Madagasikara, satria na dia ny Filohan’ny Repoblika aza dia nitokana ny Kianjan’i Barikadimy tao Toamasina tamin’ny 24 novambra 2019, tena mbola tao anatin’ny fotoana fampielezan-kevitra mihintsy. Ampahatsiahivina eto fa ny Andininy Faha 61 ao amin’ny Lalàna 2018-008 dia milaza fa « toute inauguration officielle est interdite pendant la durée de la campagne électorale».
Mampahatsiahy ny andininy faha 42 ao amin’ny Lalàna Fehizoro 2018 – 008 mikasika ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka : « Raha tsy misy fanovàna avy amin’ny Président du Tribunal de première instance, dia ny lisitry ny mpifidy nofaranana tamin’ny faha 15 ny volana may amin’ny taona resahina ihany no manankery amin’ny fifidianana rehetra mandritry ny taona itsahina ary manankery hatramin’ny faha 15 may amin’ny taona manaraka ». Tamin’ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra teo anefa dia tsy voahaja izany lalàna izany, satria ny lisitry ny mpifidy nampiasaina dia hafa, fa tsy ny lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka tamin’ny 27 may 2019.
Velona ahiahy mafy ny RMDM, satria niaiky am-pahibemaso ny CENI nandritry ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo tamin’ny 29 novambra 2019 tamin’ny fanazavany ny momba ny tranga mikasika an’i Pasitera Lala Rasendrahasina. Voalazany tamin’izany fa « Efa nifindra trano i Pasitera, ny sefo Fokontany no nilaza taminay ary izahay (ao amin’ny service informatique) no nandray ny fepetra». Izay fanekena ampahibemaso ny fanovana ny lisitry ny mpifidy, izay no porofo tsy azo lavina mikasika ny fandikana ny Andininy Faha 42 ao amin’ny Lalàna 2018-008 voalaza etsy ambony ankoatry ny porofo hafa eo am-pelatananay.
Mampatsiahy ny Andininy Faha 10 ao amin’ny Lalàna 2018-008, fa « le Registre électoral
national est permanent et public. Le Registre électoral national est accessible à tous et à tout moment ». Mahatsapa fa leo ny mpifidy nanoloana ny tsy fanarahan-dalàna marobe, ka mahatonga azy ireo tsy hiraika amin’ny fifidianana (tahan’ny fandraisan’anjara mihena foana) ary mahatsapa fa maro ny olona tsy afaka nifidy satria nisy fanovana ny lisitry ny mpifidy, nefa nisy mpifidy hafa nampidirina tsy ara-dalàna ao anaty lisitra.
Noho izany ny RMDM dia
1. Manameloka an-kitsirano ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra ;
2. Manamafy ny finiavany hiady amin’ny hosoka mikasika ny fifidianana ary tsy hangina intsony manoloana ny fanodinkodinana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ;
3. Mamaky bantsilana ny fanovana ny lisitry ny mpifidy nataon’ny CENI, ahafahana manao hosoka amin’ny fifidianana ary hampandaniana kandidam-panjakana.
Manamafy ihany koa fa ny CENI dia tsy nahaleo tena mihintsy hatramin’izay tamin’ny fanapahan-keviny sy ny asa nataony ;
4. Manentana ny olom-pirenenan hitaky ny zony (izay voafaritra ao amin’ny Lalampanorenana nefa voahitsakitsaky ny mpitondra) ary mbola hanome anay hatrany ireo porofo voahangony mikasika ny hosoka tamin’ny fifidianana ;
5. Mangataka ny fanafoanana ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra 2019, izay feno hosoka ary handray andraikitra hanao izay tokony ho atao amin’izany amin’ny fitondrana ny raharaha eo amin’ny tomponandraikitra mahefa ara-pitsarana.
www.gvalosoa.net/2019/12/09/rmdm-miverimberina-ny-fanitsahana-lalam-panorenana-ataonny-fitondrana... ... TohinyFintinina
4 andro lasa
TSY RARAHINY VOLOMBOASARY IZANY FA NY AZY IHANY NO MARINA
Marina no coment mbola ho sahy hanao toy NY hcc ve NY taf tsy rariny intsony ry ceni a NY heloia hibaboana mody rariny
TGV MPANAO KOLIKOLY
... TohinyFintinina

FARITRA MENA MAHAJANGA
ARAKA NY FIVORIAN'NY CNGRC:
🚩TSY MIANATRA NY MPIANATRA ARY TSY MIASA NY MPIASA RAHAMPITSO 09/12/2019
🚩 MIHAINOA VAOVAO TSY TAPAKA
🚩SAMIA MIVONONA: IZAY MIPETRAKA @FARITRA IVA, MIFINDRA @TOERANA AVO
🚩 HAMAFISO NY TRANO
AMPITAMPITAO
BON COURAGE JIABY
4 andro lasa
Mankasitraka ny vahoaka Malagasy rehetra erantany mandray andraikitra mijoro sy miady ho an’ny fahamarinana ary manohitra ny fanitsakitsahana ny safidy, ny zo sy ny hasina maha-olompirenena.
Manainga ny olompirenena rehetra hijoro sy hitsangana hiaron ny safidiny.
Manainga ny CENI hiroso amin’ny fampitahàna ny lisi-pifidianana izay takian’ny be sy ny maro.
Manainga ny fitsaràna mba tsy hiandany ary hitsara araka ny fahamarinana.
Tsy mila vokapifidianana hosoka ary mila saziana ireo mpanao hosoka. Ampy izay ny halabato. Aoka izay ny halabato. ... TohinyFintinina

.
4 andro lasa
tsy ireo fotsiny ny malagasy ao ! be malagasy koa eto madagasikara fa tsy tei belair , maro hatraiza hatraiza. MAHAKIVY ! hihomehezan'i boaileky fotsiny .
Bien tout ça mais insuffisant. La masse elle même doit énorme pour nous faire entendre rh
Ra nangalatr akoh 1 v mitovy namaki banque
Rotsaka amin zay eh
🇲🇬 Nihaona androany tany Frantsa ny Filoham-pirenena teo aloha mirahalahy Atoa MARC #RAVALOMANANA sy Atoa HERY #RAJAONARIMAMPIANINA ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Ireo no Filoha hendry sady mivavaka mitsinjo hatrany ny hahasoa Firenena na dia enjehina sy haratsian'ny bibidia mpambotry firenena aza!
Mazava ny tenin’i Me Hanitra.Ady amin'ny tsy fahamarinana no atao fa tsy fanakorontanana. Tsy olan'ny antoko TIM irery intsony ny fahalovana nitondrana ny fifidianana farany teo fa nihatra tamin'ny ankamaroan'ny olom-pirenena mihitsy. Tsy teto an-drenivohitra ihany fa nanerana ny nosy mihitsy. "Tonga miaraka" ny vahoaka androany "ho fanombohana" ny ady. Tena nifanomezana teto Belair kosa fa manomboka eto dia "miasa miaraka ho fahombiazana" amin'ny fampahafantarana ireo tsy fanarahan-dalàna niniana natao hampandresena ireo kandida miaraka amin'ny fitondrana. Handrafitra ny paikady rehetra ireo mpitarika. Ny tsirairay kosa hanao to-tsofina amin'ny manodidina mba ho sahy hijoro manoloana ny halatra ka ho vonona hatrany amin'ny tohin'ny tolona. Manoloana ny vaovao tsy marina niniana naely momba ny fivoahan'ny Filoha Nasionalin'ny TIM any ivelany dia nazava ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre. "Tsy ho zakanareo izay ataon'ny Filoha Ravalomanana any ivelany any" hoy izy. Nijoroany vavolombelona moa fa isan'ny niteraka olana tamin'ny fitondrana tetezamita ny fahafahan'ny Filoha Ravalomanana mifampiresaka amin'ny vondrona iraisam-pirenena isan-tokony. "Ary mbola olana hoanareo io hatramin'izao" hoy hatrany ny Depiote TIM voafidy tao Ambatondrazaka raha nampita hafatra tamin'ny fitondrana izy, "satria homena ireo mpiara-miasa amintsika ireo ny vaovao marina mahatonga anay tsy tafandrimandry toy izao".
Fantatra moa fa tafapetraka, teny amin'ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana, io maraina io ihany koa ireo fitoriana rehetra nataon'ny kandida N°2 Rina Randriamasinoro . ... TohinyFintinina
5 andro lasa