20:00 > AZ TV – Iray sy iray – Jeneraly Noël Rakotonandrasana nasain’i Fidèle Razara Pierre

Horonantsary

Fidèle Razara Pierre: Raha ianao no asaina manosi-kevitra amin’ireo kandidà roa amin’ny fihodinana faharoa, iza no asainao fidina?

Jeneraly Noël Rakotonandrasana: Izaho aloha dia fantatro fa tsy hifidy an’izany Andry Rajoelina izany satria fantatro sy hitako loatra ny zavatra nataony. Miteny zavatra iray izy eto, eny hoy izy, fa rehefa avy eo, barakay.
Ary io zavatra teneniny io, ho an’ny olona tsy mahalala, mety ho azony amin’io.
Misy ireo olona ampiasainy manatanteraka io faniriany io. Izy irery mantsy tsy afaka hivalampatra. Tsy maintsy misy olona any ambadimbadika any solontenany, miresaka amin’ny anarany. Ireny olona ireny tena mahalala ny zava-misy fa mamahan-dalitra. Misy tsy te-hahalala fa miteny fotsiny rehefa mahazo vola. Misy ny manara-drenirano na efa hita fa manitsaka zavatra maloto, miditra ihany izy satria miaro an’ilay fiaraha-mihosona amin’ny antoko.
Ireny izany, indrindra fa ny niarahany tamin’ingahy Ratsirahonana ireny, ny zavatra nataony teo ve dia mbola ho vahiny amin’ny vahoaka?

Iray sy iray – Fandaharana manontolo