16:00 > Marc Ravalomanana – n°25 – Fihodinana faharoa – 19 Desambra – Manohana ny fikambanan’ny gadra politika

Ny fikambanan’ny gadra politika dia nanapa-kevitra ny hiasa hiaraka hampandany ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana satria mila fanavotana haingana dia haingana Madagasikara. Manambara ny antony maharesy lahatra ny fikambanana ny solontena Rakotomalala Henri (Riri Be): “Manamafy izay voalazanay tany aloha fa manohana an’Andriamatoa Marc Ravalomanana, kandidà laharan-25 amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay atao amin’ny faha-19 Desambra ho avy izao. Inona moa ny antony mahatonga anay hanohana azy? Ankoatry ny programa izay naharesy lahatra anay amin’ny Manifesto dia naharesy lahatra anay koa ny finavany hanao fampihavanam-pirenena amin’ny maha-ray aman-dreny azy, raha hoarina amin’ny kandidà izay hifaninana aminy; ray aman-dreny izay manana ny traikefa teo amin’ny fitondrana dia manohana azy koa izahay amin’izany fahendrena hanany izany”.