MAP2 vs. IEM – Ady hevitra mivantana – Ravalomanana vs. Rajoelina

Mandritra ny fihodinana faharoa dia hisy ady hevitra enina eo amin’ny kandidà roa tonta mandritra ny tapa-bolan’ny fampielezan-kevitra.

Ny ady hevitra efatra hivantana eo amin’ny haino aman-jerim-panjakana izay atao indroa isan-kerinandro ny Alorobia sy ny Zoma dia hifanatrehan’ny solontenan’ny kandidà roa.

Ny Alahady 9 sy 16 Desambra dia ny kandidà mihitsy no hiatrika ny ady hevitra mivantana.