15:30 > Marc Ravalomanana – n°25 – Fihodinana faharoa – 19 Desambra – Manohana ny ray aman-dreny Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania

Mitombo isan’andro ny olona, na vondron’olona, na fikambanana, na antoko politika vonona hiasa hiaraka amin’ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana. Manana ny lanjany lehibe sy ny hasiny ny fanapahan-kevitry ny ray aman-dreny ary isan’izany ireo ray aman-dreny avy amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania.

Nanambara ny solombavambahoaka Hary Andrianarivo fa tsy tongatonga ho azy ny fanapahan-kevitr’ireo ray aman-dreny ireo iarahany amin’ny amin’ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana fa noho ny fahatsapàna fa tsy maintsy avotana amin’izao fahatrana lalina izao ny firenena.