14:30 > Fifidianana 7 Novambra – Farafangana – Voka-pifidianana hafa kely

Araka ny voka-pifidianana vonjy maika navoakan’ny CENI dia tarehi-marika hafakely no tsikaritra tao Farangana raha raisina ny vokatra avy amin’ny biraom-pifidianana (BV) miisa 39.

Namaky takotra ny kandidà laharana-27, dia tsy zovìna amin’ny rehetra izany fa i RASOLOFONJOA Haingo Andriakajamalala avy ao amin’ny antoko “AVOTRA HO AN’NY FIRENENA”, izay nahatafavoaka 75,15% raha ny vokatra azo avy amin’ireo BV ireo. Ka BV 16 amin’izy ireo dia nahitàna taha mihoatra ny 80% mihitsy aza ho an’ito kandidà ito.

I Pastera Mailhol koa mba nahitana taha 60% mihoatra tao anaty BV anankiroa.

Fa raha ny kandidà laharana-13 sy laharana-25 dia raraka mihitsy tamin’ireo BV tao Farafangana ireo.

Dia gaga ianao!

Lanzelo

Lisitry ny biraom-pifidianana hafa kely tao Farafangana: tsindrio eto