12:00 > CUA – Ho ampidirina “fourrière” ireo kamiao mpanototra tsy manana taratasy ara-dalàna

#Fanotofana_tany amin’ny faritra maro eto Antananarivo : Amin’ny maha-mpanolo-tsaina manokan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo an’andriamatoa #Ravalomanana_Marc dia nanome baiko ny mpanolo-tsaina izy handray fepetra hentitra amin’ireo olona na orinasa manototra tany tsy ara-dalàna amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Misy ny milaza fa olona ambony avy ao amin’ny kaominina mihitsy no manao sonia taratasy manome alalana izany. Rehefa nohamarinina, hoy ny tao amin’ny kaominina, dia misy misandoka ny sonia sy ny tombon-kase. Raha ny tokony hoy izy tokoa nefa dia tsy maintsy mahazo alalana avy ato amin’ny kaominina avokoa ny fanotofana tany rehetra eto an-drenivohitra.

Noho izany handray fepetra ny avy ao amin’ny kaominina hisava ireo kamiao mivezivezy manototra tany sy izay nanome alalana azy hanao izany. Hampidirina « fourrière » avy hatrany izay tsy manana taratasy ara-dalàna, anisan’ny faritra tena hojerena akaiky ny eny Anosivavaka, Andranobevava, Ankazomanga, Andraharo sy ny sisa. Efa fotoam-pahavaratra izao ka anisan’ny fepetra tokony horaisina hiarovana ny faritra iva amin’ny dobo rano sy ny fahatsetsenan’ny tatatra mamoaka rano izany.

#Fanotofana_tany amin’ny faritra maro eto Antananarivo : Amin’ny maha-mpanolo-tsaina manokan’ny ben’ny…

Publiée par Chasse-info sur Dimanche 25 novembre 2018