Marc Ravalomanana – Misintona ny fitarainana ary manaiky ny voka-pifidianana vonjy maika navoakan’ny CENI

Manaiky i Marc Ravalomanana fa voahaja ny mangarahara nandritra ny fotoana niasan’ny CENI. Noho izany ny KMMR sy ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana dia manaiky ny voka-pifidianana vonjy maika navoakan’ny CENI.

Ny lalàna momba ny fifidianana dia manome halalana ny kandidà rehetra hametraka fitoriana raha toa ka misy tsy maha-afa-po mandritra ny fotoam-pifidianana. Manana ekipa mahay lalàna ary miara-miasa aminy ny kandidà laharana-25. Ao anaty 48 ora aorian’ny fanambaràna vokatra vonjy maika no apetraka eny amin’ny HCC ny fitarainana izay tiana atao. Raha 24.852 ny PV no nokirakiraina dia olona amam-polony no niara-niasa vao vonona ny antontan-taratasy fitarainana (208). Niasa andro maro ary niasa andro aman’alina ny Legal Team hahafahana manenjika ny fe-potoana. Isaorana eram-po eran-tsaina ny fahavitrihana sy fahavonana nasehon’ny ekipa Legal Team tsy nitandro hasasarana, tsy nitandro torimaso ary amin’ny fomba maimaimpoana tanteraka no niasan’izy ireo tao amin’ny KMMR. Mahabe voninahitra ny fanaovana politika eto Madagasikara izany fihetsika izany.

Saingy nahatsikaritra ny KMMR fa tao anaty andro vitsivitsy dia nisy paikady hafahafa hita soritra teny amin’ny fiaraha-monina. Misy hetsika toa mifono ambadika politika tazana. Toa misy ampahan’olona mitady izay hanafoana ny fifidianana, nanararaotra ny fisian’ny fitarainana ny sasantsasany mba ilazàna fa ny kandidà roa voalohany samy tsy afa-po ary tsy mankasitraka ny voka-pifidianana vonjy maika navoakan’ny CENI. Dia ny fisian’ny fitarainana an-tsoratra voapetraka teny amin’ny HCC no nentina hanazavàna fa tokony ho foanana ny voka-pifidianana satria tsy ankasitrahan’ny kandidà roa voalohany hono.

Noho izany toe-javatra izany dia nanapa-kevitra ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana ary naniraka ny Legal Team hanao taratasy mba hisintonana ny fitarainana rehetra napetraka mazava tsara eny amin’ny HCC. Aleon’ny ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana apetraka mazava tsara ny fitsipi-dalao. Tsy mangataka ary tsy mankasitraka ny fanafoanana ny fifidianana natao tamin’ny 7 Novambra 2018 i Marc Ravalomanana. Tsy mangataka ny fampihemorana ny fihodianana faharoa i Marc Ravalomanana. Aleo hizotra ny fihodinana faharoa hampazava ny safidim-bahoaka, fa io ihany no hahafahantsika amin’ny fomba demôkratika manendry ny olona hitantantana ny firenena Malagasy amin’ny fomba eken’ny vahoaka Malagasy.

Manantitrantitra ary manamafy ny KMMR fa nanaiky ny fangatahan’ny filoha Marc Ravalomanana hisintonana ny fitoriana sy ny fitarainana teo amin’ny HCC mba tsy hilazàna fa tsy mankasitraka ny voka-pifidianana vonjy maika izay navoakan’ny CENI.