12:00 > Rabenja Tsehenoarisoa – DirCamp Marc Ravalomanana – Manokatra varavarana ho an’ireo izay te hanohana

« Manokatra varavarana ho an’ireo izay te hanohana azy ny kandida #Marc_Ravalomanana amin’ny fiomanana sy fiatrehana ny fihodinana faharoa satria izy dia ho filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’antokon’olona vitsivitsy fotsiny. » Rabenja Tsehenoarisoa, talen’ny fampielezan-kevitra Marc Ravalomanana

« Tsy nisy « surprise » ny voka-pifidianana fa araka ny efa navoakan’ny CENI, tsy nisy nahazo ny antsasa-manila ny kandida fa miroso ho amin’ny fihodinana faharoa. Miverina ny « caution »n’ireo kandida roa tafakatra ary izy ireo ihany ; mihoatra ny 7% ny vato fotsy sy ny vato maty ka tokony hojerena akaiky. Efa vonona tanteraka izahay hiatrika ny fihodinana faharoa ary manao antso ho an’ny olona rehetra mba ho tonga hifidy. Izahay dia efa vonona amin’ny paikady rehetra hiatrehana ny fihodinana faharoa. » Hanitra Razafimanantsoa, depiote TIM

LaChasse-info.com