Voka-pifidianana – Miandry am-pinoana sy am-panantenana Ravalo

Isambilo

Miandry am-pinoana sy am-panantenana ny vokatry ny fifidianana ny 7 novambra lasa teo ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Ny faran’ny herinandro teo, anisan’ny nanatrika ny fandevenana ny Evekan’i Mahajanga, Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao ny kandidà Marc Ravalomanana satria anisan’ny namana akaikin’ity Monseniera ity ny tenany, anisan’ny nandray anjara fitenena tamin’izany fanaovam-beloma farany izany i Dada, nambarany tamin’izany fa tena malahelo tokoa izy tamin’izao fahalasanan’i Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao izao. Tao aorian’izay, nisy ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety momba ny voka-pifidianana, nanambara i Dada nandritra izany fa sady mino no manantena aho hoy izy fa handresy tamin’iny fifidianana ny alarobia lasa teo iny, na izany na tsy izany, miandry am-pitoniana sy am-panantenana ny vokatra aho hoy izy, ary miantso ny vahoaka Malagasy rehetra ihany koa hiandry am-pitoniana izany vokatra vonjy maikan’ny CENI izany sy ny vokatra ofisialin’ny HCC. Nanipy teny ihany koa izy tamin’ireo mpomba azy rehetra manerana ny Nosy tamin’io fotoana io, sady nanome fampaherezana araka ny tenin’ny soratra masina, izay efa lasa teny filamatry ny TIM sy ny KMMR ihany koa hoe: “Aza matahotra minoa fotsiny ihany!”.